Auteur/autrice : Adnews

Ankadivory Ilafy : Jiolahy miisa efatra nandroba

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Anka­divory Ilafy, afakomaly alina tamin’ny 12 ora tany ho any. Niditra sy nandroba tao amin’ny tokantrano iray voalohany, eny an-toerana, ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana sy nisaron-tava miisa efatra. Nosokirin’izy ireo ny varavarana, nandratra olona tao an-trano izy ireo vantany vao tafiditra. Naratra mafy teo amin’ny tanana […]

Lalam-baovao Tsarasaotra: Mpitondra moto tra-doza

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny alin’ny alahady 24 aogositra teo, tamin’ny 7 ora. Mpitondra moto scooter marika Kymco avy amin’ny lalana Tsarasaotra nikasa hihazo an’Ivato no nidona tamin’ny fiara Starex iray teo alohany. Potika tanteraka ny moto nentin’ilay lehilahy tra-doza. Naratra mafy vokatry ny dona […]

Kaominina Tsiafahy : Vehivavy naolana sady novonoina

Fatim-behivavy hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, omaly maraina. Naolana ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy. Nokarohin’ny fianakaviany nanomboka ny sa­botsy 23 aogositra lasa teo. Hita tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, ny vehivavy iray, omaly maraina ta­min’ny 8 ora sy sasany. Tsikaritry ny fokonolona […]