Mampianatra manao sary, atsy. Mampianatra mitendry na mitsoka zavamaneno, aroa… Samy mandroritra izay heveriny fa mety. Misy milaza fa ao anatin’ny hateloana, mahay mitendry feon-kira iray. Ny hafa manambara fa «intelo mianatra ihany ny mpianatra ato aminay dia mahay ny fototra fanaovana hosodoko». Ampahana endrika fampianarana zavakanto misy eto Madagasikara […]
Auteur/autrice : Adnews
Tarika Ny Voanio 60 taona: Nifamatotra akaiky ny mpijery sy ny teny an-tsehatra
Nafana ny teny an-tsehatra… Nafana nanaraka izany ihany koa ny mpijery. Nandihy ny teny an-tsehatra… Nanetsika ny vatany sy ny tanany ary ny tongony moramora ihany koa ny iray efitrano… Nanolotra ny kanto ny tarika Ny Voanio… Tafiditra ao anatin’ireo fampisehoana hoenti-manamarika ny faha-60 taona. Nanatanteraka seho miavaka tao amin’ny […]
TSELATRA
Lehilahy iray nitondra kodiaran-droa, naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Tanjombato, omaly hariva. Nanao taingin-droa ary nitondra ny zanany lahy kely izy io tamin’izany. Nianjera ny moto notengainan’izy ireo ka niteraka ny loza. Vokany, naratra mafy ilay raim-pianakaviana raha toa ka tsy naninona kosa ny zanany. Mpianaka avy […]
Vely « bois rond » misy fantsika: Lehilahy iray namoy ny ainy, tratra ny olon-dratsy
Novelesin’ny jiolahy tamin’ny “bois rond” misy fantsika tany Mangarivotra, omaly, ny mpivady. Namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy i Crino Pierre, raim-pinakaviana 45 taona. Raha toa ka mbola manaraka fitsaboana kosa ny vadiny. Avy niandry faty tany Akirihiry ary hamonjy fodiana any an-tranony izy mivady ireo ny […]
Nangalatra 2 tapitrisa Ar: Telo lahy voasambotry ny polisy
Notanan’ny polisy ireo telo lahy voasaringotra amin’ny hala-bola mitetina 2 tapitrisa Ar tao Mananara Avaratra, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny toerana iray ny olona miisa roa nampiahiahy. Tsy naharaka na inona na inona ny talen’ny orinasa kanjo nanjavona ny vola 2 tapitrisa Ar, ny 21 aogositra. Nampandre ny polisim-pirenena avy […]




