150 mahery ny fitambaran’ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho teto Antananarivo, tato anatin’ny roa volana. Namoizan’aina tsy latsaky ny 100 izany. Ny tsy fitandreman’ ny mpamily sy fandehanana mafy avokoa ny antony nahatonga izany. Mitombo ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana rehefa vanim-potoanan’ny fialantsasatra tahaka izao. Maro ny fivezivezin’ny mpandeha amin’ny lalam-pirenena. Nahatratra 154 ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Mihamafy ny delestazy eto an-dRenivohitra, nanomboka tamin’ny herinandro ambony no ho mankaty. Mitaraina ny mpanjifa, satria lazain’ny Jirama fa noho ny tsy fahampian’ny rano any amin’ny tohodranon’Andekaleka no anisan’ny antony. Raha ny toetr’andro anefa, orambe foana tany amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy efa nandritra ny tapa-bolana farany teo izao, ary tokony […]
Ladoany: Nampahafantarina ny mpianatry ny Oniversite ny IA
Nikarakara famelabelarana ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, Ankatso, ny sampandraharahan’ny Haban-tseranana malagasy. Niompana tamin’ny hoe « ny lanjan’ny antontam-baovao niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) : ny antoka entiny sy ny ho avy ». Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana lalina ny fitantanana ny raharaham-panjakana, amin’ny alalan’ny fivoarana ara-teknolojia izany. Azo tsorina fa […]
Toamasina: Hanodina fako 60 t isan’andro ny Agrotech
Voasafidy, araka ny antso tolobidy natao, hitantana ny Ivontoerana fanavahana sy fanodinana ny fako ao an-tampon-tanànan’i Toamasina, ny orinasa Agrotech. Natao sonia ny 20 aogositra teo ny fifanarahana teo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy orinasa. Mahatratra 60 taonina isan’andro ny fako hahodina ho lasa vokatra […]
Vary safiotra : Mampidi-bola 5 tapitrisa Ar ny tany 1 hekitara
Nizarana masomboly vary safiotra sy zezika ny tantsaha eny Sabotsy Namehana, omaly. Ahazoana vokatra 12 taonina isaky ny hekitara ny velarantany 1 hekitara. Misitraka ny vina sy ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tantsaha ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Natolotry ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), […]




