Nikarakara famelabelarana ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, Ankatso, ny sampandraharahan’ny Haban-tseranana malagasy. Niompana tamin’ny hoe « ny lanjan’ny antontam-baovao niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) : ny antoka entiny sy ny ho avy ». Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana lalina ny fitantanana ny raharaham-panjakana, amin’ny alalan’ny fivoarana ara-teknolojia izany.
Azo tsorina fa anisan’ny sampandraharam-panjakana voalohany eto Madagasikara, mampiasa ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ny ladoany malagasy. Nohazavain’ny tale jeneraly (DG) ny habantseranana malagasy, Zafivanona Lainkana, fa natao izany, entina hanavaozana ny fomba fiasa, ny fampiasana ny teknolojia niomerika, hanamafisana ny fanadihadiana, ny fanaraha-maso ary ny fanombanana. Manaporofo ny fametrahana ny fitantanana mangarahara, ny fahombiazana ary ahitam-bokany.
Fifanakalozan-kevitra
Manoloana izany, manantena hisian’ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony ny Ladoany malagasy, mba hahitana fahombiazana sy fivoarana. Satria, zava-dehibe ny lanjan’izao fivoaran’ny teknolojia izao, amin’ny alalan’ny IA.
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny famelabelarana koa i Vatosoa Jimmy (Metalab Essec), ny Dr. Rakotomamonjy Paul Mazoto (Cedia) ary Ramatoa Rasoanandrianina Henitsoa, injenieran’ny Fikarohana et Innovation.
Njaka A.




