Voasafidy, araka ny antso tolobidy natao, hitantana ny Ivontoerana fanavahana sy fanodinana ny fako ao an-tampon-tanànan’i Toamasina, ny orinasa Agrotech. Natao sonia ny 20 aogositra teo ny fifanarahana teo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy orinasa.
Mahatratra 60 taonina isan’andro ny fako hahodina ho lasa vokatra vaovao azo hampiasaina indray. Ao anatin’izany ny fanodinana ny fako plastika ho lasa akora ilaina amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa (auto-bloquant), kojakoja samihafa (seza, dabilio, latabatra, taozavatra, …).
Hisy koa ny famokarana saribao ekolojika, izay handray anjara betsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, toy ny ala, ny ranomasina, ny tanàna, sns.
Nosinganin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Andonirina Max Fontaine, fa tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny indostria, araka ny voalazan’ny andry faharoa, napetraky ny filohan’ny Repoblika, ny fametrahana ity orinasa Agrotech ity.
Eo koa, ny fanabeazana ara-tontolo iainana mba samy ho tompon’andraikitra amin’ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fampiroboroboana ny toekarena mihodina sy maitso ny olom-pirenena tsirairay.
Njaka A.




