Natao omaly, ny atrikasa fanombohana ny famolavolana ny fenitra nasionaly momba ny biogaz. Tanjona ny hampanaraham-penitra ity seha-pihariana ity, hiarovana ny mpampiasa ny angovo madio maharitra sady miaro ny tontolo iainana. Mikarakara ny atrikasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Hisy ny fandaharana manokana hataon’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, ny alahady 31 mey izao. Hanomboka amin’ny 8 ora alina ny fandaharana ka anisan’ ny hampita izany ny eo anivon’ny TVM sy ny RNM. Eo koa ireo haino aman-jery tsy miankina hafa. Nitafa tamin’ny mpanao gazety rosianina, […]
famindrana fahefana amin’ny miaramila: Notsipahin’ny HCC
Namaly sy namoaka fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny 28 mey teo. Anisan’ny nandraisan’izy ireo fanapahana ny fitorian’ny depiote, Rajerison Antoine. Nivoitra tamin’izany fa tsy azo raisina ny fitoriana napetrak’io solombavambahoakan’Arivonimamo, ny 13 mey lasa teo, io. Anisan’ny niompanan’ny fitoriana ny hampitsaharana ny filohan’ny Fanavaozana ny […]
Miverina amin’ny taniny
Miesona tanteraka ny valalabemandry! Noheverina fa efa mifoha kay mora lalaovina sy ampatoriana am-pitsanganana. Nanomboka nampametra-panotaniana ny fihodin’ny fanaovana politika. Nilaza tsy ho mpanao majia indray ny sasany fa mampiandry lava! Ny lazaina fa mpanjanaka sy tsy namana indray izao no lazaina fa ho mpiray ra amin’ny tena. Tsy […]
Minisitry ny Atitany : “Tsy manakana ny dinika ny fanendrena sefo fokontany”
Anisan’ireo minisitra telo voalohany nifanatrika mivantana tamin’ireo depiote teny Tsimbazaza, omaly, ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Anisan’ny nitondrany valinteny ny momba ny sefo fokontany. “Ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny didim-panjakana: fanendrena lehiben’ny fokontany”. Io ny valintenin’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Ny didim-panjakana talohan’izay, […]




