Auteur/autrice : Adnews

Depiote Ratsiraka Sophie: “Tsy nohajaina ny safidim-bahoaka”

Naneho ny alahelony manoloana ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna farany teo ny depiote Ratsiraka Sophie. Manahy mafy amin’ny hoavy ny tenany, tamin’izany. “Malahelo ny vahoaka mahita fa nanaovana tery vay manta ny fametrahana ny ben’ny Tanàna tsy lany. Lasa ny fiarahamonina no simba sy potika tanteraka. Satria tsy nohajaina ny safidim-bahoaka”. […]

Sombim-baovao

Ho fanomanana ny CJSOI sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo, misy ny « Open Mat » na ny fanazarantena hiarahana isan’andro, ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Eny amin’ny Dojo Saint Michel Amparibe sy ny Dojo Sainte Famille Mahamasina no hanaovana izany. Ny Cadets sy ny Juniors no voakasika amin’izany. Tontosa […]

Fitantanana Spaoro: tanora vonona hizara ny traikefany i Zo

Tanora anisan’ny nanaraka ny fiofanana Cams (Cours avancés en management du sport), Andriambololona Zo Hajanirina ary nahazo ny mari-pahaizana, tamin’ny andiany faha-6 « Fototra » farany teo. Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izy ary vao haingana no nandrombaka ny medaly volamena, nandritra ny “Open de Saint Denis”, natao tany La Réunion, […]

« Yas Semi-marathon 2025 »: hisy ny fifaninanana 10 km natao ho an’ny rehetra

Afaka andro vitsy, hiatrika lalao eny amin’ny arabe an’Alarobia ireo mpitia ny taranja hazakazaka, « Sémi-marathon ». Hiavaka ny hetsika, hisy ny fifaninanana 10 km izay natao ho an’ireo tsy manana kara-pilalaovana. Hotanterahina eny amin’ny Kianja Alarobia, ny 25 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Yas Semi-Marathon”, andiany […]