Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny lalam-piofanana “Terre, ruralité, eau”, ao amin’ny sampam-pianarana Sciences de la vie et de l’Environnement, Faculté des Sciences, Oniversiten’i Mahajanga. Ahitana efitrano fianarana sy birao ary efitrano fivoriana miaraka amin’ny fanaka moderina. Efa nahazo fankatoavana na “habilitation” avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ity […]
Auteur/autrice : Adnews
Noelin’ny firaisan-kina : nolokoina ny CEG Ambohipo
Hetsika sosialy maro maneho firaisan-kina no hamarika ny volana desambra miaraka amin’ny Orange solidarité Madagascar. Nanomboka ny asa ny fandokoana ny CEG Ambohipo iarahana amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny Orange Madagascar, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra koa amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo ny zavatra natao teny an-toerana. Toy […]
CHUJRB : olona 3 isan-kerinandro, marary mafin’ny Sida
Tena misy ny aretina Sida ary misy ireo marary mafy vokatr’izany. Eo koa ireo mitondra ny tsimokaretina tena mamindra kanefa salama tsara ka mila mailo sy manamafy ny fitandremana ny rehetra. Nitondra fanazavana ny dokotera Mihaja R, ao amin’ny sampandraharaha mpandray an-tanana ny aretina azo avy amin’ny mikraoba sy ny […]
Ankadinondry Sakay sy Analavory: Nahazo milina mpamokatra mena-boanjo
Hamokatra mena-boanjo 5000 litatra isam-bolana ny taninketsa indostrialy napetraka ao Ankadinondry Sakay, raha toa 2000 litatra izany nandritra ny andrana natao. Vonona hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ny ben’ ny Tanàna ao an-toerana raha nilaza kosa ny solombavambahoaka voafidy tao Fenoarivobe, Randrianarisoa Bien Aimé Arsène, nandritra ny fametrahana ny taninketsa indostrialy, ny […]
Madagasikara: mamokatra lomotra mena 2000 t isan-taona
Seha-pihariana anisan’ny mampidi-bola ny famokarana lomotra mena (ahidrano). Azo trandrahina maharitra mihoatra ny jono izy ka azon’ny rehetra atao. Mahatratra hatrany amin’ ny 2000 t isan-taona ny vokatra avy eto Madagasikara. Mitombo ao anatin’ny 15 andro ny lomotra mena ary amidy 1 100Ar ny kilao. Manodidina ny 2 500 ny […]