Auteur/autrice : Adnews

Nidaroka mpanatitra entana: jiolahy roa naiditra eny Antanimora

Naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny jiolahy roa nidaroka tamin’ny “bois-rond” mpanatitra entana iray tao Ambohimitsara, kaominina Ambohimangakely, distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Nanafatra akanjo tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo jiolahy roa lahy. Nampandaloviny amin’ny toerana mangingina ny mpanatitra io entana io, ny 6 mey lasa teo tamin’ny 3 ora sy sasany. Nandrasan’ireo […]

Nahatrarana basy dimy: maty voatifitra i Njara Kelialoka

Dahalo am-polony nikasa hanafika tanàna iray tao Ambatofinandrahana. Maty voatifitry ny zandary ny iray. Sarona ny basy mahery vaika miisa dimy. Ravan’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny fanafihana mi­tam-piadiana nokasain’ny da­halo am-polony hotontosaina tao amin’ny tanànan’Andra­velona, fokontany Tsimama­liavona, kaominina Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny 8 mey teo tamin’ny 2 ora tolakandro. […]