Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Hetsika fanaovam-baksiny fito no hotan­terahina amin’ity taona ity. “Efatra fanaovam- baksiny faobe ho fanatrarana ireo tsy mbola nahavita ny vaksiny mahazatra. Roa hiarovana amin’ny aretina lefakozatra ary ny iray miaro amin’ny kitrotro”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-baho aka. Mihoatra ny 90% ny taha fahavitana ny vaksiny hisorohana ny valanaretina samihafa […]

Mpanao gazety Judd : mangataka tolo-tanana fa tsy salama

Mangataka tolo-tanana fa marary mafy ka nahiditra hopitaly i Tsaraharivony Judicael, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “Judd”. Mpanao gazety mikirakira vaovao politika ao amin’ny orinasan-tserasera Gazetiko izy. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, tratran’ny aretin’ny tsy fahombiazan’ny voa (In­suffisance rénale) ny tenany ary efa nahiditra hopitaly teny Befela­tanana. Vokatr’ izay, tsy […]

Lalàna mifehy ny torohay ho an’ny daholobe: Hampihena betsaka ny kolikoly eto Madagasikara

Hanaovana adisisika amin’ny sehatra maro ny volavolan-dalàna mifehy ny torohay ho an’ny daholobe (LAICP). Hitondra ainga vao amin’ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena ny fahalanian’izany lalàna izany. “Fepetra ahafahana miady amin’ny ampahany betsaka amin’ny kolikoly ny fahalanian’ny lalàna mifehy ny torohay ho an’ny daholobe (LAICP)”, hoy i Reyna Rabeaza, […]

TARATRY ny KANTO

Farakely, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Elaela indray tsy nihaona tamin’ireo mpankafy azy ity mpanakanto ity. Avy hatrany dia fampisehoana feno no hatolony rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fotoana hitondrany an-tsehatra ireo hira vaovao, toy ny “Mody namana” sy hamerenana ihany koa ireo nankafizin’ny rehetra. Mitohy ny fankalazana ny […]

« World Cola Urban Vibes »: tarika sivy, DJ efatra no hampiaina ny seho

Fahombiazana ny andiany voalohany, tamin’ny 2 taona lasa. Feno fanantenana tanteraka ireo mpikarakara ny “World Cola Urban Vibes”, izay hotontosaina ny alahady 5 mey ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahama­sina. “Izay mpanakanto mpivoy ny mozika an-tanàn-dehibe malaza amin’izao ireo halahatra an-tsehatra amin’ity”, hoy ny nambaran’i […]