Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Olona dimy naratra vokatry ny fifandonan’ny fiara maromaro teny Bel’Air Talatamaty, omaly hariva. Mpiandry taxi-be ireo naratra. Vokatry ny fahatapahan’ny hisatra tamina fiara iray no voalaza fa nitarika ny fifandonana tamin’ireo fiara. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Teratany malagasy iray nosamborin’ny polisy ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Maorisy, afakomaly. Hafahafa ny fihetsik’io […]

Mahitsy: mpamaky trano tra-tehaky ny zandary

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray namaky trano, an’ny mpifanolobodirindrina aminy, tao amin’ny fokontany Ambohimilemaka, kaominina Mahitsy, omaly. Nanararaotra ny tsy fisian’ny olona tao amin’io trano io ilay olon-dratsy. Nalainy avokoa ny entana, toy ny fahitalavitra, ny 26 avrily lasa teo. Niverina tao an-trano ny tompontrano, efatr’andro taorian’io, foana […]

Kamiaobe nivadika : olona dimy namoy ny ainy

Olona 20 naratra mafy, dimy namoy ny ainy. Kamiao be mpitatitra eladrano tapaka hisatra no nahatonga ny loza. Nitrangana lozam-piarakodia nahafatesan’olona tao ambavaranon’i Manambaroa, fokontany An­jaha Soatanimbary, kaominina ambanivohitr’i Satrokala, dis­trikan’Ihosy, omaly. Kamiaobe iray miasa ao amina toeram-pitrandrahana eladrano, any amin’iny faritra avaratra, anatin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahasoa, ity niharan-doza ity. […]