Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Natomboka omaly ny fananganana toby ho an’ny zandarimaria hiadiana hanakaiky ny vahoaka ao Andraikiba. Birao natao hiasan’ny zandary sy hanampy ny vahoaka hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana izany. Lehilahy vao nivoaka ny fonja tratra nangalatra, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Zava-pisotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray no nalainy nandritra ny fahatapahan-jiro. Noraisim-potsiny teo am-panatanterahana […]

Ambohitrabiby-Avaradrano: Vehivavy hita faty tanaty rano teo Ambatoboka

Renim-pianakaviana iray maty an-drano tao amin’ny fokontany Ambatoboka, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’ Avaradrano, omaly. Niala ny trano fonenany vao maraina ity ramatoa ity, araka ny fanazavana voarain’ny zandary tamin’ny fianakaviany. Nampandrenesin’ny fianakavian’ilay tra-doza ny mpitandro filaminana. Hita natsingevan’ny rano tao ambanin’ny tetezana ao Ambatoboka ilay renim-pianakaviana. Nidina ifotony nanao fizahana ny […]

Andranovelona-Ilafy : Zaza amam-bolana nisy nanary

Zazavavy iray hitan’ny olon-tsotra nipetraka teo amin’ny tohan-drano Andriambato anelanelan’Andranovelona sy Antsapandrano, omaly maraina. Mpandalo handeha hiasa vao maraina no nahatazana ilay zaza. Tsy nisy olon-kafa ankoatra azy teo amin’ny toerana. Niantso tomponandraikitra sy nampandre fokonolona avy hatrany ny nanatri-maso. Natolotra ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Sabotsy Namahena taorian’izay. […]

Soamanandrariny : Fikambanan-jiolahy mpangalatra moto ravan’ny zandary

Telo lahy mpangalatra moto, iray hafa mpividy ary mpanafina saron’ny zandary Soamanandrariny, afakomaly. Tambajotra iray efa nampikolay ry zalahy ireto. Vehivavy iray sy lehilahy efatra mpiray tsikombakomba amin’ny halatra moto tra-tehaky ny zandary miasa ao amin’ny tobi-paritra Soamanandrariny, afakomaly. Nandritra ny fisafoana ny alin’ ny 9 aogositra nataon’ny mpitandro filaminana, […]