Auteur/autrice : Adnews

Nikasa hangala-jaza : Olona telo voasambotry ny fokonolona

Ahenoana zaza sy olona very hatrany isan’andro, miparitaka anaty tambajotran-tserasera. Omaly, olona roa, nahitana vehivavy iray sy lehilahy iray, voasambotry ny fokonolona tetsy Ankazo­manga Tsaramasay, ny maraina. Voalaza fa nikasa hangala-jaza tamin’ny alalan’ny fanomezana balaonina izy ireo, raha ny fanazavana voaray tamin’ny mponina. Na­hatsikaritra izany ny olona teny amin’ny manodidina […]

Vonoan’olona : Tovolahy hita faty tapa-doha

Notapahin’ny tsy valahara ny lohan’ny tovolahy iray 15 taona, tao amin’ny fokontany Soavary Station, kaominina Tanandava, distrika Morombe, omaly. Hitan’ny mpandalo nitsirara tamin’ny tany io tovolahy io, nihoson-dra ny faritry ny tendany. Tsy nisy loha intsony izy. Nampandre ny manampahefana sy ny tomponandraikitra ny nanatri-maso. Ny akanjo teny an-koditr’ilay ankizy […]

Nanafika mpamongady : Maty voatifitry i Boss sy Lefaly

Lavon’ny mpitandro filaminana i Boss sy Lefaly, omaly misasakalina. Nikasa handroba mpamongady iray tao Betafo izy ireo no tafiditra tao anaty vela-pandrika. Nirefodrefotra ny poa-basy tao Betafo, ny sasakalin’ny alarobia hifoha alakamisy. Tambajo­tran-jiolahy hanafika tranombarotra mpamongady no rava. Nandamoaka ka lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana i Boss sy Lefaly. Voaray mialoha […]

Randrianarisoa Rijamanitra : 30 taona niangaliana ny dihy

Anisan’ireo olo-malaza nandray anjara lehibe teo amin’ny sehatra ara-kolontsaina eto Madagasikara sy tany ivelany (La Réunion, France, …), indrindra eo amin’ny dihy ara-panatanjahantena,  Randria­narisoa Rijamanitra. Nahavita nametraka ny maha izy azy sy ny vina entiny izy, ka nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny dihy eto amin’ny firenena. Tsy […]

Yas Madagascar sy ny CUA : Hanisy “Fan Zone” mandritra ity Mondial ity

Tsy ho diso anjara afaka hiaina mivantana ny lalao amin’ny Mondial 2026 hatrany amin’ny famaranana ny mpankafy, etsy amin’ny Parvis Analakely. Hasiana “Fan Zone” maimaimpoana eny an-toerana. Ho fiatrehana ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, « Mondial 2026 », hisy ny « Fan Zone » handefa mivantana ny lalao, etsy […]