Auteur/autrice : Adnews

Mpifahavalo miray vilia

  Raikitra ity! Efa manomboka ny fampivondronana ny ekipa, hilalao amin’ny fifidianana depiote, ny 29 may 2024. Efa miakatra aty an-dRenivohitra ireo mihevitra ny ho kandidàn’ny antoko manohana ny filohan’ny Repoblika. Mafotaka ny adisisika sy ny ady toerana. Efa mifanipaka an-toerana toa valala an-karona rahateo izy mianakavy. Tsy mbola misy […]

Ravalomanana Marc: “Mijoro hanolotra kandidà iraisana ny Firaisankina “

Nanambara ny avy amin’ny antoko Tiako Madagasikara fa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana manaraka eo ry zareo. Hanambatra ny heriny izy ireo, araka ny nambarany. “Handray anjara feno amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana eny anivon’ny kaominina manerana an’i Madagasikara. Hiray hina izahay ka hanambatra ny herinay rehetra hiatrehana […]

TSELATRA

Raikitra indray ny fifampikasihan-tanana na­taon’ ny samy mpino teo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana, omaly atoandro. Tsy fifankahazoana eo amin’ireo mpino izay nizara ho ankolafy roa miangona amin’io toeram-pivavahana io no nitarika ny sakoroka. Olona 50 hiakatra fampanoavana anio. Tafa­verina amin’ny mpitandro filaminana ilay fitaovam-piadiana « pistolet MAT 49 » very nateraky […]

Nanolana ny zana-badiny : Raikely naiditra am-ponja

Tratra ilay raikely nahavanon-doza ny 22 febroary teo. Simba tanteraka vokatry ny fanolanana nataon’io lehilahy io ilay ankizivavy 5 taona, tao Mahabe, kaominina Brieville. Nifampitadiavana nanomboka ny faran’ny volana ja­noary teo, tratra ihany ilay raikely nanolana ny zana-badiny tao Mahabe, kaominina Brie­ville, distrikan’i Tsaratanana, ny 22 febroary teo. Niezaka nanafina […]