Auteur/autrice : Adnews

Mamely ny lefakozatra: misy olon-dehibe, malemy tampoka!

Miverina ary mbola tena mamely ny lefakozatra eto Madagasikara. Tsy mifidy taona. Misy ny olon-dehibe malemy tampoka. Hitohy ny fanaovam-bakisiny faobe amin’ity taona ity. Nitsidika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Mialy, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny delegasiona iraisam-pirenena ho famongorana ny lefakozatra. Nahitana ny solotenan’ny Unicef sy ny Sampandraha­rahan’ […]

INDRAY MIJERY

Nanomboka tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Tranompokonolona Ankorondrano Andrefana, ny fizarana tohanaina andiany voalohany ho an’ireo fokontany miisa 5. Ireo olona nifanome tanana tamin’ny asa fanadiovana ny lakandrano Andriantany sy C3 ary ny lakandrano eny anivon’ny fokontany, boriborintany fahatelo, no nisitraka izany. Vita omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny valanjavaboahary […]

Certificat Pix: 118 mianadahy nisitraka mari-pankasitrahana

Tanora 118 mianadahy, mpi­anatra, mpampianatra mpikaroka ary mpandraharaha ao amin’ny oniversiten’i Fiana­rantsoa no nahavita fiofanana sy afaka tamin’ny fanadinana, izay ahazoana ny certificat PIX. Notolorana ny mari-pankasitrahana izy ireo, tamin’ity herinandro ity. Manan-kery eo sehatra iraisam-pirenena ny ceryificat Pix. Ny oniverisiten’i Fianaran­tsoa no be mpandray anjara indrindra ka namoaka mari-pahaizana […]

Breeanna Elliott: misy aretina sarotra tsaboina nefa sitran’ny raokandro

Mifototra amin’ny tantaran’ny siansa sy ny fitsaboana eto Madagasikara ny fikarohana ataon’i Breeanna Elliott. Nilaza izy fa maro ny tombontsoa azo amin’ny fitsaboana nentim-pahara­zana ary misy ny karazan’aretina tsy hitan’ny siantifika. Mpianatra mpikaroka ao amin’ny Yale Uni­versity any New Haven, CT i Breeanna Elliott. Mpahay tantara sy mpanao asa fikarohana […]

TARATRY ny KANTO

« Hampiaraka in-35…», etsy amin’ny CGM Analakely. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ity « atsam-pitia », izay atolotry ny Fa­ribolana Sandratra ity. Fotoana hiantsan’ireo mpikambana ireo tononkalom-pitia, anatin’ny fanamarihana hatrany ny faha-35 taonan’ny Faribolana. Ambohimanga Rova – Hisy fambolen-kazo, anio. Nosafidian’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera manokana ity harem-bakoka iraisam-pirenena ity, […]