Auteur/autrice : Adnews

Ankizivavy sy vehivavy miavotra: 100 andro hahafahana mianatra sy ho voaaro amin’ny herisetra

Mbola mitoetra ny vesatry ny kolontsaina malagasy manome vahana ny lehilahy ka tsy ahafahan’ny ankizivavy mivoatra sy misitraka ny zony hivelarany amin’ny fiainany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara, i Estelle Andrianasy. Niantso ny sehatra tsy miankina sy ny firaisamonim-pirenena ary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny hanao asa mandritra […]

Literatiora sy Riva: hamoaka ny boky “Vahindanitra”

Tsy afa-misaraka ny “literatiora sy Riva”. Vao miresaka hoe Riva, mby ao an-tsaina avy hatrany ny riankalo, to­nonkalo, sombintantara sns. Haseho ny amboaran-kalo “Vahindanitra”… Ha­na­ta­ne­ra­ka seho sy hetsika famoaham-boky i Riva, ny zoma 2 desambra izao, amin’ny roa ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ano­sy, efitrano Dox. Hanentana izany seho […]

Reggae : haneho ny “Fitomania” ry Isandranata

Mpanakanto iray manana ny maha izy azy indray no hiaka-tsehatra etsy amin’ny Reggae Bar Ankazomanga, anio asabotsy 26 novambra, manomboka amin’ny telo ora tolakandro. Haneho ny mozikany ny tarika Isandranata, ary nampitondraina ny lohahevitra “Fitoamania” ny se­ho. Efa maro ny sehatra nanehoany ny talentany ary mampiavaka azy ny fahaiza-mihira, indrindra […]

Mpanoratra nasongadin’ny «Facebook»: nomena ny voninahitra mendrika azy i Bao Florine

Lanonana manetriketrika ! Nomena ny voninahitra mendrika azy i Bao Florine. Izy ilay ramatoabe nalaza nandritra ny herinandro maromaro, tao anatin’ny tambajotran-tserasera “Facebook”. Tontosa, omaly, tetsy anoloan’ny Ivokolo An­a­lakely ny lanonana na­no­mezana ny mari-boninahi-pirenena “Officier de l’Ordre National” an’i Bao Florine. Poeta, mpanoratra amin’ny teny malagasy sy frantsay izy, fantatra ihany […]