Auteur/autrice : Adnews

Échecs-Lalao Afrikanina : Solontenan’ny Malagasy i Fy sy i Tsinjoniavo

Anisan’ny taranja hifaninanan’i Madagasikara, mandritra ny lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny lalao Échecs. Hisolo tena ny Malagasy amin’izany Rakotomaharo Fy sy i Tsinjoniavo Aina Mahasambatra, ny 8 hatramin’ny 12 marsa izao. Samy antenaina hahazo medaly izy mianadahy ireto, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Échecs, Andrianantenaina Ramalanjaona. Tsiahivina, vao […]

Tontolo iainana : hamboly hazo any Andramasina ny Manda

Hamboly hazo ny fikambanana ivondronan’ny mpianatry ny oniversite miankina na tsia amin’ny fanjakana avy any amin’iny distrikan’Andra­masi­na na Manda. Hotanterahina ny sabotsy izao, any Andra­masina, izany. Hiara-dalana amin’izany koa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eo amin’ny mpikambana sady fitsangatsanganana rahateo, ao amin’ny espace Viser loin Andramasina. «Tanjon’ny fi­kambanana ny […]

Fiofanana: miara-miasa ny OJM sy ny Instat

Anisan’ny zava-dehibe ny fikirakirana ny fampiasana ny antontanisa. Ilaina amin’ny fanatsarana ny fandraisana fanapahan-kevitra izany. Eo koa ny mety hahafahana mandresy lahatra amin’ny karazana hetsika na fanaovana fangatahana fanampiana. Manampy izany, afaka hanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy hamantarana ny vokatra hoentina miasa. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Instat, Ndremi­tsara Tarzan: “mila […]

Fitsarana : hampiasaina ny « Diary fanarahan-draharaha »

Ho fanamorana sy hisorohana ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, napetraka ny « Diary fanarahan-draharaha ». Fomba fiasa vaovao eny anivon’ny fitsarana izany. Hampiasaina eny amin’ ny fitsarana ny «Diary fanarahan-draharaha» ( Carnet de Suivi). Ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy Mbolatiana no nanolotra izany teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, omaly. […]