Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024). Hamarana izany ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Voromaherin’i Nigeria. Hifantoka ao amin’ny kianja Alassane Ouattara ny sain’ny rehetra, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra amin’ity faran’ny herinandro ity. […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Manomboka manao sidina anatiny ny Madagascar Airlines hatramin’ny 15 avrily. Sidina ho an’Antsiranana-Sambava, Toamasina-Maroantsetra ary Maroantsetra-Toamasina ny alatsinainy, mielanelana herinandro. Sidina mampitohy an’i Taolagnaro-Toliara ny talata, Sambava-Antsiranana ny sabotsy ary Nosy Be-Mahajanga mandroso sy miverina ny alahady, isan-kerinandro. Nigadona tao Antsiranana, omaly, ilay sambo lehibe MSC Poesia Italianina, izay mirefy […]
TETIKASA ODOF – Moramanga: tafapetraka ny milina hanodinana ronono
Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Nahazo ny anjarany ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, tamin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy izay hanodina ny ronono ho lasa yaourt sy fromazy. Mamokatra ronono 2 tapitrisa isan-taona ny distrikan’i Moramanga sy ireo tanàna manodidina azy. Tombony ho an’ny tantsaha sy ny mpandraharaha ny […]
Fanampian’i Japon : vita ny tetezan’i Mangoro (RN2)
Nitarika ny fitokanana ny tetezana roa vaovao, omaly, any amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), ny filoha Rajoelina. Fotodrafitrasa vita amin’ny « béton », azon’ny fiara roa ifanenana, mirefy 102 m ny iray, tetezan’i Mangoro, raha 30 metatra ny faharoa, any Antsampazana ary samy 7 m ny sakany. Fanomezana avy amin’ny governemanta japoney, tamin’ny […]
Harena an-kibon’ny tany : nahazo loka iraisam-pirenena telo ny Base Resources
Orinasa renin’ny Base Toliara ny Base Resources. Nisongadina ny fahaiza-mitantana, ka nahazoany loka iraisam-pirenena miisa telo, nokarakarain’ny hetsika “Mining Indaba”, farany teo. Nahita vokatra tsara ny Base Resources, orinasa renin’ny Base Toliara. Miisa telo ny loka iraisam-pirenena azony tamin’ireo loka sivy nozaraina, nandritra ny hetsika « Responsable resourcing Awards 2024 » tamin’ny […]





