Auteur/autrice : Adnews

Mandrosoa Ivato : Lehilahy mpampanjana-bola tratra nivarotra basy

Tratra ambodiomby saika hivarotra basy ny lehilahy iray teny Mandrosoa Ivato, afakomaly. Voalaza fa basy miisa roa nataon’olona nindram-bola taminy antoka ireo. Voasambotry ny zandarimaria avy eo anivon’ny GSIS teny Mandrosoa Ivato, distrikan’Ambohidra­trimo, ny lehilahy iray nivarotra basy, afakomaly. Loharanom-baovao tsotra no nampita izany tamin’ny mpitandro filaminana. Voalaza fa misy […]

Alatsinain’ny Paka ao Antsirabe : Hiaka-tsehatra ny Randrampeo Fiderana

Hiavaka ny alatsinain’ny Paka any Antsirabe. Hana­tanteraka seho an-tsehatra any an-toerana, ny 6 avrily tontolo andro, ny Randrampeo Fiderana. Hatao ao amin’ny Kianja Maitso Spam Antsirabe izany. Hanomboka amin’ny 9 ora ny seho, araka ny nambaran’ireo mpikambana eo anivon’ny tarika sy ireo mpitandrina, tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, omaly. « Hialoha­van’ny […]

« Kanto Miampita »: Revy Mahaleo amin’ny fomba hafa…

Efa mitoetra mandrakizay ny sanganasan-dry Mahaleo. Endrika iray hitohizan’izany ny « Kanto Miampita », ifarimbonana mpanakanto maroloko. Rojo Ny Avo manao ny « Ry Tompo ». Silo mivazo ny « Fasan’ada­la ». « Iantrao » niarahan’i Nanie sy Tolotra, Bodo miventy ny « Tongava re ». Nifa­rimbonana ny « Faribo­lana », sns. Santionany tamin’ny famerenana nataon’ireo mpanakanto hanafana ny « Kanto Miampita » an-tsehatra […]

INDRAY MIJERY

Marihina ny 2 avrily ny Andro maneran-tany ho fanentanana momba ny autisme. Mikarakara hetsika ny antenne isam-paritry ny fikambanana Autisme Madagascar. Ho an’ny eto Analamanga, hisy ny fifampizarana sy fijoroana vavolombelona momba ny autisme sy ny andavanandron’ny fianakaviana manana olona autiste ao an-trano. Eny amin’ny tranomboky monisipaly Analakely no handraisana […]

Minisitra Franconion Mac Denis : « Vonona hiasa ao anatin’ny fanavaozana isika »

Nambaran’ny minisitra vaovao, misahana ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Franconion Mac Denis na i « Coco » fa sambany aminy ny toerana sy andraikitra noraisina izao. « Vonona isika hiasa ao anatin’ny politikan’ny Fanavao­zana. Efa nitantana teny anivon’ny kaominina izahay ary nanao vikin-dava ary izao tonga eto amin’ity minisitera […]