Nanomboka omaly ka hifarana ny sabotsy izao ny Tsenaben’ny mpandraharaha, andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Madagascar Entreprises Développement (MED) etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ahafahan’ ireo mpandraharaha samihafa mampiranty ny vokatra ataony. « Tanjona napetraka ny hitadiavana lalam-barotra, ny fampitomboana ny rantsam-pifandraisana fa indrindra ny fanomezan-danja ny vokatra mala-gasy », hoy ny fanazavan-dRazanadrakoto Ambinintsoa, filohan’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Tondro tokana tsy mahazo hao
Mbola mitana ny sain’ny maro ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Manome vahana izany ny vanim-potoanan’ny maitsoahitra izay mampidangana ny vidim-piainana. Mampiaiky volagna ny vidim-bary eny an-tsena izay tafakatra hatrany amin’ny 3 500 Ariary ny kilao. Efa hitovy amin’ny sandan’ny karama indray andro raisin’ny mpiasa madinika. Mahalasa saina! Miraviravy […]
Delestazy : nandroso vahaolana ny mpandraharaha tsy miankina
Namoaka fanambarana, ny 12 desambra teo, ny vondron’ny mpandraharaha tsy miankina manodidina ny 30 eto Madagasikara. Anisan’ny navoitran’izy ireo ny fandanian’ny orinasa mihoa-pampana amin’ny herinaratra vokatry ny delestazy lavareny. Miantraika ratsy any amin’ny fiharian’ny mpandraharaha ny delestazy. Efa nisy hatry ny ela ny tetikasa famokarana herinaratra azo avaozina sy ny avy […]
Anjozorobe : mpaka an-keriny telo lahy rotiky ny bala
Tratra ihany ny lehiben’ny dahalo malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Niara-namoy ny ainy izy sy ny namany roa lahy. Nokarohina hatry ny ela, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao hetsika manokana tao amin’ny fokontany Ambohitsoa, kaominina Beronono, distrikan’Anjozorobe, i Leba, mpitarika dahalo, afakomaly. Ikoizana amin’ny halatra omby sy […]
TSELATRA
Taxi-be 109 nifatratra tamina andrin-jiron’ny jirama teo Analamahitsy, omaly maraina. Potika tanteraka ny fiara. Niongotra hatramin’ny andrin-jiro. Voalaza ho fahatapahan’ny hisatra no niteraka ny loza. Nandeha mafy loatra ny fiara, raha ny fahavoazana hita taminy. Zazalahy handeha hianatra vaky loha nofaohan’ny moto, teny amin’ny lalan’ny Tsarasaotra, omaly maraina. Nandeha mafy […]





