Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Mihena 4 MW ny tanjaky ny herinaratra any Andekaleka izay tokony hanana tanjaka 120 MW. Antony, tsy ampy ny ranonorana ka voatery mihena koa ny tanjaky ny famatsiana herinaratra. Izay no anisan’ny antony hanaovana delestazy, manomboka amin’ny 2 ora alina hatramin’ny 4 ora sasany maraina, indrindra ny eto Antananarivo sy […]

Fiaraha-miasa : tetikasa roa hampandrosoana ny toekarena

Natao hampandrosoana ny toekarena sy ny sosialin’ny firenena malagasy ny tetikasa AMRP sy ARCEB, niarahan’ny governemanta Malagasy sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Ani­san’ny zava-bitan’ny tetikasa ny fanadihadiana izay nanome soritra ny mety hanakarana ny tahan’ny tsindrin-ketra amin’ny alalan’ny fanakarana ny vola miditra ho an’ny fanjakana. Ao ihany koa […]

FIHARIANA MAKAMBA : nampidi-bola 15 miliara Ar

Tafakatra hatrany amin’ny 15 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ny alalan’ny jono makamba nandritra ny taona 2023 raha manodidina ny 2,9 lavitrisa Ar izany tamin’ny taon-dasa sy talohan’izay. “Manampy betsaka tamin’ny fahazoana izao vokatra izao ny fanavaozana natao nanomboka tamin’ny taona 2021 izay nifantoka tamin’ny fanaraha-maso ny isan’ireo […]

Pam sy Minae : ankizy 240 000 hisakafo any an-tsekoly

Manohana ny famokarana ambanivohitra ny Banky iraisam-pirenena. Mampitombo ny fahavitrihan’ny mpamokatra ny fahitana lalam-barotra. Anisan’izany ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Pam. Natao sonia omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena mikasika ny sakafo (Pam). Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa hiatrehana ny lafiny […]

Filohan’ny HCC : “Aoka hohajaina ny safidim-bahoaka”

“Miantso an’izay resy tamin’ny fifidianana mba hahatsapa tena sy hanaja ny safidim-bahoaka. Fa ny feom-bahoaka dia feon’ Andriamanitra.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana, teny Ambohidahy, omaly. Araka ny And. voalohany ao amin’ny Lalàmpanorenana, anisan’ny fototra iorenan’ny Repoblika ny demokrasia. […]