Auteur/autrice : Adnews

Masoivoho amerikanina : nahazo boky ny akany fitaizana zaza kamboty

Boky, mirakitra karazana haren-tsaina, no natolotry ny masoivoho amerikanina ireo akany fitaizana zaza kamboty sy toeram-pianarana vitsivitsy eto Antananarivo, omaly. Nankasitraka ny finiavan’ny mpitantana ireo toeram-panabeazana ireo ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, noho ny vokatsoa azon’ireo ankizy sy mpianatra amin’ny fanabeazana omena azy. “Matoky aho fa ho tonga eny am-pelatanan’ny […]

Oniversiten’Antananarivo: hampikatso indray ny fampianarana ny Seces

Tsy mety milamina ny tontolon’ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Miverina mikatso ny fampianarana. Milaza fa iharan’ny antsojay ny Seces. “Vara-datsaka ho an’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, mikambana ao amin’ny Seces sampana Antananarivo, ny fanapahana ny karaman’ireo mpitari-tolona”, araka ny fanazavana nomen’izy ireo. Toraka izany ny fiantsoana ny filohany, Ravelonarivo […]

Pr Rasamoelina Henri: « Tokony hahay andray lesona ny Malagasy… »

Efa hatramin’izay no niteraka olana sy loza mitatao ho an’ny firenena ny fifidianana, indrindra ny an’ny filoham-pirenena, noho ny lesoka amin’ny fanatanterahana azy, araka ny nambaran’ny Pr Rasamoelina Henri, mpampianatra mpikaroka sy mpahay tantara. «Ny janoary 1972 no nanomboka nanarahako akaiky ny raharaham-pirenena, indrindra ny fifidianana. Maro ny lesona tsara […]

Fironana avy amin’ny Ceni: efa mihoatra ny antsasa-manila ny voka-pifidianana

Ho tratra ihany ny fe-potoana. Efa mihoatra ny an­tsasa-manila ny voka-pifidianana navoakan’ny eo anivon’ny Ceni, hatramin’ny omaly hariva. Tafakatra 68% mahery ireo biraom-pifidianana naharaisan’izy ireo vokatra tamin’izany ka anisan’ny misongadina fa efa vitsy sisa ireo birao fandatsaham-bato (BV) tsy nahazoana vokatra ho an’ny faritanin’ Antananarivo. Mi­hoatra ny 44% kosa ny […]

Komity foibe any Fianarantsoa: hanapa-kevitra amin’ny raharaham-pirenena ny FFKM

Hotanterahina amin’ny herinandro, any Fianarantsoa, ny fivorian’ny Komity foibe eo anivon’ny FFKM. Anisan’ny andrasana amin’izany ny ho fanapahan-kevitr’izy ireo manoloana ny fiainam-pirenena. Hanomboka ny alarobia 29 novambra ny fivoriambe. Tsy azo ihodivirana ny momba ny hanohizan’ny FFKM ny fandaminana sy ny fanelanelanana ny toe-draharaham-pirenena. “Hodinihina ny ho tohin’ny ezaka efa […]