Niarahaba ny fandresen’ny Barea, nanoloana ny Les Sao, Tchad, ny kandidà Andry Rajoelina. Nambarany fa nanandratra avo ny voninahi-pirenena ny ekipa. “Azontsika androany ny isa telo… Velona indray ny fanantenana. Misaotra ry zalahy”, hoy izy. Mitohy ary hihamafy ny fampiharana ny fepetra fiahiana ny fandriampahalemana, araka ny nambaran’ny prefet an’Antananarivo, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fifidianana sy tsy fanarahan-dalàna: mitaky fanadihadiana ny KMF/Cnoe
“Takinay ny hanaovan’ny Ceni fanadihadiana ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra niseho mialoha na nandritra na taorian’ny fifidianana. Fahefana nomen’ny lalàna azy izany”, hoy ny KMF/Cnoe, omaly, tetsy Antanimena. Takin’izy ireo ny tatitry ny fampiasam-bola nataon’ireo kandidà nandritra ny fifidianana. Na izany aza, natsidiky ny KMF/Cnoe fa filohan’ny Malagasy rehetra ny lany […]
Akombony ny vava !
Mahatsiravina toa maharikoriko izany ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Toa tsy misy hasiny intsony ny aina. Tsy mampaninona izany hoe mandatsa-dra izany. Tsy an-tanàn-dehibe, tsy any ambanivohitra fa manapoaka izay afaka manapoaka, mamono izay te hamono. Mahavalalanina tsy hita izay ilazana azy. Na izany aza, tsy takona […]
Foiben’ny Ceni Alarobia : nanara-maso ny fikirakirana voka-pifidianana ny Sadc
Nijery ifotony sy nanara-maso ny fizotry ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny iraka mpanara-maso eo anivon’ny Sadc, omaly. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, izy ireo. Nitondra fanazavana tamin’ireo delegasion’ny Sadc ny fomba fanatanterahana ny dingana, mialoha ny hamoahana ny fironan’ny voka-pifidianana ireo mpiasa eo anivon’ny Ceni, omaly. Nampahafantarina azy ireo […]
Taxi-be nifanenjika: nifampisokirina ilay lehilahy voadona
Nanao ny ataony indray ny mpitondra taxi-be teny Alarobia-Ivandry, omaly maraina. Vaky loha sy tapa-tongotra vokatry ny fifanenjehan’ny taxi-be 180 miisa roa ny lehilahy iray izay manana olana tsy afa-mandeha fa mipetraka ambony seza atosi-tanana. “Efa saika nandona polisy teo Tsarasaotra io taxi-be io kinanjo izao nifaoka olona izao”, hoy […]





