Manampy amin’ny fivelarana talenta maro ny tambajotran-tserasera tahaka ny facebook . Tsy mijanona eo amin’ny fampahafantarana nefa fa mitohy hatrany amin’ny tsikera. Io no mila fitandremana, mety hiafara amin’ny fandevenan-talenta izany. Mijanona tsy manoratra, na vao mainka mamoaka hira manivaiva ny soatoavina ireo mpamorona tsy mahatanty tsikera, satria, mby ao an-tsainy […]
Auteur/autrice : Adnews
Tranomboky monisipaly : mitohy ny fampiroboroboana ny haikanto
Mitohy eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, anio tolakandro, ny hetsika “Let’s read”, ao anatin’ny Diary Nofy, andiany faharoa. Haikanto mitondra anatra sy fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy no tena mahazo sehatra ao anatin’ity hetsika ity. Tanjona amin’izany ny famerenana ny hasin’ny boky eo amin’ny fanabeazana ny ankizy. Eo ihany koa […]
Atrikasa Hay : lohahevitry ny hetsika ny fanenomana
Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny famaranana ny atrikasa Hay, ho an’ity volana novambra ity. Raha tsiahivina, fanenomana amin’ny alalan’ny tanana no nozaraina nandritra izany. Haneho ny fahaizana azony tao anatin’ny atrikasa ny mpandray anjara anio. Anisan’ny mampiavaka ity ivontoerana eny Ambatomena ity ny fanomezana lanja manokana ny […]
FZMMRA – Doany Dadabe Rakotomaditra : natomboka ny fanamboarana ny tohatohabato
Anisan’ny toerana manan-tantara eny Atsimondrano ny fisian’ny doany ao Ankadivoribe Soalandy. Mandray andraikitra ho fikoloana izany ny FZMMRA. Fikambanan’ny zanadrano mpitsabo mpikaroka raokandro malagasy Atsimondrano na ny « FZMMRA ». Misahana sy misehatra manokana amin’ny fiarovana sy ny fikarakarana ireo vakoka, fitsaboana nentim-paharazana manerana ny Nosy. Nomarihina tamin’ny fanatanterahana ny vavasa fanamboarana […]
Fiarovana ny ala : tsy araka ny voasoratra ny zava-misy
Tsy loza mitatao intsony izao ny faharavan’ny ala eto Madagasikara fa loza efa mihatra amin’ny tany sy ny mponina. Mananika ny 100 000 ha isan-taona ny ala rava. Ny fahantrana no antony voalohany fa eo koa ny kolikoly mahazo vahana . Fanamby napetraky ny mpitondra nandritra ny «One Planet Summit» tao […]





