Niditra an-tsehatra omaly, ao anatin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL”, Elites 16, taranja Basikety, ny Cospn Madagasikara. Fifaninanana tontosaina any Johannesburg, Afrika Atsimo. Isa 5 monja ny nandavoan’ ny City Oilers avy ao Ouganda ny ekipan’ny Cospn Madagasikara, nandritra ny andro voalohany, omaly. Niady tanteraka ny fihaonana ary […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Laharam-pahamehan’ny CNIM ny tontolon’ny fambolena, ny lamba, ny lohamenaka, ny indostria mpanodina ny harena an-kibon’ny tany ary ny famokarana angovo azo avaozina. Hanao tatitra isaky ny enim-bolana momba ny fandrosoan’ny fanatanterahana ny fifanekena ny filankevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Nisokatra omaly tamin’ny telo ora tolakandro, ny […]
Fampiroboroboana ny indostria : tafatsagana ny filankevitra nasionaly
Nitsangana afakomaly, tetsy amin’ny EDBM Antaninarenina, ny filankevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM). Dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny fifanekena momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria, natao sonia teo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ny 31 Jolay 2023, ny fametrahana ny CNIM”, hoy ny […]
Ifanadiana-Ikongo : ho tapaka ny lalana
Hamboarina ny tetezamby (pont Bailey) eo amin’ny PK 10+100 any amin’ny lalam-pirenena RNT 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Haharitra 15 andro ny asa ka voatery tsy maintsy haato ny fifamoivoizana ho an’ny fiara rehetra, noho izany, manomboka anio 22 hatramin’ny alakamisy 7 desambra 2023. Manamarika ny minisiteran’ny Asa vaventy fa […]
Fambolena : ampanarahana ny vanim-potoana ny famokarana
Napetraka ny Paikadim-pirenena hanapariahana sy filankevitra mahakasika ny fambolena (SNVCA). Tanjona ny hampiroboroboana ny famokarana. Andry iankinan’ny toekarena malagasy ny sehatry ny fambolena. Manana ny lanjany amin’ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Manoloana izany, atao eto Antananarivo mandritra ny roa andro ny atrikasa mikasika ny Paikadim-pirenena hanapariahana sy filankevitra mikasika […]





