“Tena miabo ny fizotran’ny fifidianana”, hoy ny lehiben’ny mpanara-maso fifidianana iraisam-pirenena avy amin’ny Comite économique des Etats de l’Afrique Centrale” (CEENA), i Cyrille Ndemba, teny Tanjombato, omaly. Tamin’ireo birao fandatsaham-bato notsidihan’izy ireo, hita fa ara-dalàna ary tsara ny fizotran’ny fifidianana. Na izany aza, nomarihiny ny tsy fisian’ny delegen’ny antoko politika amin’ny fanaraha-maso ny fifididiana. […]
Auteur/autrice : Adnews
UJ- CEMAC: “Tontosa araka ny fenitra ny fifidianana”
Nanatanteraka fanambarana voalohany, vokatry ny fanaraha-maso nataony, nandritra ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy, ny mpanara-maso fifidianana, avy amin’ny “Union-Jeunesse de la comunauté economique et monétaire de l’Afrique Centrale” na UJ-CEMAC, omaly, teny amin’ny Tometal Mahamasina. “Nizotra araka ny fenitra iraisam-pirenena sy araka ny napetraky ny fanjakana malagasy ny […]
Jly Camille Vital : “Aoka ho tony isika”
“Mbola miantso ny Malagasy rehetra ho tony sy ho hendry izahay. Tsy mahazaka korontana intsony isika. Tsy tsara ho antsika izany. Efa mafy ny mahazo antsika. Aoka izay ny korontana!” , hoy ny praiminisitra teo aloha, ambasadaoron’i Madagasikara atsy amin’ny Nosy Maorisy, ny Jly Albert Camille Vital. Nambarany fa tsy […]
Velon-taraina ny mponina: mirongatra ny asan-dahalo any Mandoto
Tsy mandry andro, tsy mandry alina ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mandoto ankehitriny noho ny halatra omby sy asa fandrobana ataon’ny dahalo any an-toerana. Niverina nahazo vahana ny tranga tsy fandriampahalemana any an-toerana tao anatin’ny telo volana farany, raha ny tatitra voaray tamin’ny mpianatra sy ny ben’ny Tanàna any an-toerana. […]
Taolagnaro sy Toamasina: sambo lehibe 2 mivahiny eto Madagasikara
Migadona ao Taolagnaro ilay sambo vaventy mitondra mpizahatany maro, vascoda Gama. Mahatratra 510 ireo teratany vahiny entin’ity sambo ity hisitraka ny hatsaran’ny tanàna ao Taolagnaro. Teratany alemà ny ankamaroan’izy ireo. Mandritra ny fivahinianan’ity sambo lehibe ity dia hanjifa ny tolotra rehetra ao an-toerana ireo mpizahatany. Fanararaotra amin’ny sehatry ny fizahantany […]





