Tovovavy efatra, 16 ka hatramin’ny 19 taona, samy monina ao Marovoay an-tampon-tanàna no nanambara fa efa manao fandrindram-piterahana, amin’izao fotoana izao. Mbola mpianatra avokoa izy efatra mirahavavy, araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Santionany anatin’ny maro ireo azo itarafana ny zava-misy ao anatin’ny kaominina. 17 taona no nitondra vohoka i […]
Auteur/autrice : Adnews
Fandrindram-piterahana : mahasarika ny fomba miaro maharitra
Ny taona 2020 no nanomboka niasa mitety trano i rasazy Sarah Damo Hanitriniaina, SPO (rasazy mandeha irery) rehefa voaray niasa tao amin’ny Marie Stopes Madagascar, manentana ny olona amin’ny fandrindram-piterahana maimaimpoana. Tamin’ny voalohany, efa zatra tsindrona ny olona ka sarotra ny nanentanana azy ireo amin’ny fanafody fanabeazana aizana implanon asisika […]
Zo fototra ny fisitrahana fanabeazana : 40 amin’ny ankizy 100 tsy mahavita ny ambaratonga voalohany
Nomarihina tamin’ny fampirantiana sary 30 eny amin’ny La City Ivandry, ny andro maneran-tany ho an’ny ankizy, omaly. Maneho ny olana amin’ny fahazoan-drano vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, ny fanabeazana… sy ny asa ataon’ny Unicef hampivoarana ny zon’ny ankizy ny sary rehetra. Anisan’ny tolo-kevitra naroson’ny vaomiera iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy ny […]
Masoivohon’i Chine: Sekoly 4 tohanana ara-pitaovana
Nitsidika ireo sekoly miara-miasa aminy ny masoivoho sinoa ny herinandro teo. Anisan’izany ny CEG sy Lycée tany Fianarantsoa, Toamasina ary Antananarivo. Nidina ifotony nijery mivantana ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao amin’ireo toeram-pampianarana efatra (CEG roa sy lycée roa) izy ireo. Folo taona no nanorenana ny fotodrafitrasa ary nisy ny […]
INDRAY MIJERY
Mitohy mandritra ny 15 andro ny fanadiovana ireo lakandrano eny anivon’ny fokontany, voakasiky ny tetikasa Himo. Natomboka teny amin’ny fokontany Andravoahangy tsena izany tamin’ity herinandro ity. Entanina hatrany ny mponina hanary ireo fako eny amin’ny toerana voatokana amin’izany. Ny Antenimieran’ny tanora mampiasa sy miteny frantsay dia miantso ny tanora amin’ny […]





