Anatin’ny vanim-potoan’ny pesta ny eto Madagasikara. Tranga nampivarahontsana no niseho tao amin’ny kaominina Ankazovelo.Valo no maty, telo mbola manaraka fitsaboana. Misy trangan’aretina pesta ao amin’ny fokontany Ankazomanga, Voanagna ary Manatotsikora, samy ao amin’ny kaominina Ankazovelo, araka ny antso avy any Ankazovelo, ny 14 novambra lasa teo. Nidina tany an-toerana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
«Malagasy mankany», etsy amin’ny IKM Antsahavola. Halefa anio indray, manomboka amin’ ny roa ora ity sarimihetsika malagasy notontosain’i Hamy Ratovo ity. Arahina adihevitra izany, hotarihin’i Aina Randrianatoandro, mpankafy sy mpitsikera sarimihetsika. Ho avy eo, hamaly ny fanontanian’izay liana amin’izany koa ny mpanatontosa. «Maimbo Olombelona». Ny angano «Maimbo Olombelona» sy ny […]
«Carte Blanche» : mpahay kanto valo manatontosa ny hetsika
Tanterahina eny Ankatso, hatramin’ny 24 novambra 2023, ny fampirantiana «Carte Blanche». Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny ADMC-CRAAM, eny amin’ny Oniversite Ankatso. Sary pika sy hosodoko ary haikanto plastika no mandravaka izany fampirantiana izany. Malagasy mpahay kanto miisa 8 no miara-misalahy manatontosa ity hetsika ity. Raha tsiahivina, tanjona […]
Madagascar Orchestra : hovelomina ny «Les quatre saisons»
Anisan’ny sarotra ny mamerina sy mampiaina indray ny sanganasan’i Antonio Vivaldi raha eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika. Iray amin’ireny ny «Les quatre saisons» izay nampitolagaga olona maro ny hatsarany, nanomboka tany amin’ny taona 1723. Hoporofoin’ny Madagascar Orchestra, ny 29 novambra izao, manomboka amin’ny 1 ora, etsy amin’ny IFM Analakely fa […]
Tontolon’ny literatiora: hihaona ireo mpanoratra fandaharam-pianarana
Fotoan-dehibe ny anio, ho an’ny tontolon’ny literatiora. Hihaona ary hizara ny traikefany ireo mpanoratra anaty fandaharam-pianarana, izay mbola velona amin’izao fotoana. Hetsika amina toerana telo samihafa izany. Tontolo andro ho an’ny literatiora. Toerana sy fotoana telo no azo isafidianana: amin’ny 8 ora maraina, ao amin’ny Amphi Lycée Rabearivelo Analakely. Amin’ […]





