Nofanina momba ny fitantanana sy fikojakojana fitaovana fitsaboana ireo teknisianina mpiasan’ny fahasalamana. Fiaraha-miasa tamin’ny Jica ary notanterahin’ny Air Water East Japan Medisun no nahafahana nanao ny fampiofanana tany Japon. Mikendry manokana ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpiofana hahay mikojakoja ireo fitaovana izay ampiasaina eny anivon’ny hopitaly ho fitandroana ny ain’ireo marary. […]
Auteur/autrice : Adnews
Seces sampana Antananarivo : manohitra ny fandrahonana hanala ny « vacataire »
Tsy mbola nahitana vahaolana hatramin’izao ny olan’ny mpampianatra mpikaroka eny Ankatso. Manameloka ny fandrahonana samihafa ireo mpampianatra. Manoloana ny fandrahonana fanapahana karama ho an’ireo mpampianatra mitarika hetsika sendikaly eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, nanao fanambarana ny mpikambana ao amin’ny biraon’ ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), fa mbola eo koa ny teritery fandrahonana hanalana ireo mpampianatra […]
TARATRY ny KANTO
Piment Café – Revy gitara. Hifarimbona indray ry Tolotra, Ony, Nary, Bim ary Eric Rason, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mazava loatra fa hanjaka ny revy gitara, ary hibahana bebe kokoa ny sanganasan’ny tarika Mahaleo rehefa ry zalahy ireto no tafaraka. Eo ihany koa anefa ireo hirana […]
Diary Nofy « Let’s read »: hamelona ny fitiavana vaky boky no tanjona
Notanterahina teny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny alarobia lasa teo, ny fanombohana ny atrikasa Angano sy Vaky boky, ao anatin’ny tetikasa “Diary Nofy”. Tetikasa izay manana tanjona ny hisarika ny ankizy ho tia vaky boky sy hamerina ny hasin’ny boky ary hanomezana sehatra ireo asa soratry ny mpahay kanto. […]
« Volana iray, mpanoratra iray »: nizara ny aingam-panahiny i Mioranandriana
Reharehan’ Amoron’i Mania, i Mioranandriana. Mpampianatra, poeta, mpanoratra ary mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo ity ampahafantarina mandritra ny iray volana ity. Vehivavy poeta, mpanoratra ary tena olon’ny literatiora i Fara Bakohasina Mioranandriana. Anjaran’ity mpanoratra zanaky ny faritra Amoron’i Mania ity indray no nampahafantarina tanatin’ny hetsika «Volana iray, mpanoratra iray», tamin’ity volana novambra […]





