Auteur/autrice : Adnews

mazava loha: nitondra fahalalana maro

Tanterahina ny 24 novambra hatramin’ny 2 desambra 2023, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ao anatin’ny Ma­dagascourt Film Festival, andiany faha-18, ny fampirantiana “Mazava loha”, karakarain’ny fikambanana «Ren­con­tres du Film Courts». Fampirantiana hanehoana ny lalana nodiavin’ny sinema malagasy sy ny sangany, izay efa misandratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’izany tontolo izany […]

16 novambra 2023: 60 taona katroka ny Fi.Mpi.Ma

Taorian’ny fodiamandrin’i Rose Valisoa (andrarezin’ny kabary). Nivory voalohany tao an-tranon-dRajohnson Samuël, ny 14 mirahalahy. Izy ireo no nanorina ny «Firaisan’ny Mpikabary Malagasy». Niova ho Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy » izany taty aoriana. Feno 60 taona katroka, omaly, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy ity. Izy 14 mirahalahy […]

Vondron’ny kandidà : “Takinay ny fifidianana madio”

Namoaka fanambarana taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny Vondron’ny kandidà 10. Nohamafisin’izy ireo fa natao amboletra izany ary tsy madio. “Tsy tomombana fa tsy nandraisan’ny rehetra anjara araka ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ambany indrindra teo amin’ny tantaran’ny fifidianana… Takinay ny hirosoana amin’ny fifidianana madio mitondra fifandimbiasam-pitondrana sy fahamarinan-toerana, antoky ny fiainana tsaratsara kokoa […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Hajaina ny safidin’ny tsirairay”

“Hajaintsika ny safidin’ny tsirairay, fa tokony ho hentitra tsara isika. Mba hiaina izany demokrasia izany, fa tsy fitadiavana tombontsoa sy fitiavan-tena no iainantsika ny fampandrosoana an’i Mada­gasikara.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny latsa-batony teny Ankorondrano, omaly. Zava-dehibe eo amin’ny tantaram-pirenentsika ny fifidianana, fa tao anatin’ny dimy taona izao, […]