Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notanterahina teto amintsika, ny 25 aogositra -3 septambra lasa teo, ka nahazoan’ny vehivavy mpilalao tenisy ny medaly volamena roa. Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ireo Malagasy, vehivavy mpilalao, ity taranja ity. Raha ho an-dRazafinarivo Mirindra, nahazo amboara telo tamin’ny fifaninanana telo natrehany, ho an’ny lalaon’olon-tokana […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Ampivoarina ny fahaizan’ny teknisianina any amin’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja baolina kitra. Hotanterahina ny 15 novambra ho avy izao, ao amin’ ny Stade Velodrome, Antsirabe, ny fiofanana « Stage d’Appui », ho an’ireo mpanazatra manana ny mari-pahaizana « Licence D » sy « Licence C » an’ny CAF, ao amin’ity ligim-paritra ity. Hotanterahina ny 19 novambra ho avy […]
BAREA : nanomboka omaly ny fanazaran-tena
Afaka roa andro, hanomboka ny fifanintsanana ny hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny « Mondial Etats Unis 2026 », taranja baolina kitra, aty Afrika. Efa nanomboka nanao ny fanazaran-tenany tany Accra Ghana ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina fa hifanandrina voalohany amin’izy ireo mandritra ity fifanintsanana ity ny ekipa nasionalin’i Ghana, Black Star, […]
Tsipy kanetibe – PPF 2024: hiatrika ny famaranana lehibe i Lahatra sy Ra-Chre
Na mbola ao anatin’ny sazy aza ny federasiona sport-boule malagasy (FSBM), misy mpilalao mitondra ny lazan’i Madagasikara any Frantsa. Fantatra mantsy fa hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny PPF 2024 i Lahatra sy Ra-Chre. Taorian’ny fahavitan’ny taom-pilalaovana 2023, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny taranja tsipy kanetibe “Passion Pétanque Française 2024” (PPF), ny […]
INDRAY MIJERY
Ny sabotsy 25 novambra izao no fotoam-panokafana ny taom-pikatrohana vaovao ho an’ny Antily, diosezin’Antananarivo, tanterahina eny amin’ny Ekar Anosizato. Amin’io no hametrahana ny ekipa fanampiny diosezy, fanolorana tapaporohana sy ny fanomezana laharam-pivondronana. Manohy amin’ny fanentanana ny zatovovavy sy ny tanora momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ary ny fisorohana ny […]





