Nitondra fanazavana mahakasika ny sampandraharahan’ny fitarafana na “imagerie médicale” ao amin’ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana ny dokotera Razafindraibe Kanto, radiologue sady lehiben’ny sampandraharaha. Miompana amin’ny fitiliana ny karana sy ny vanintaolana, avokavoka, nono ary ny anaty kibo no atao ao amin’ny sampandraharaha fitarafana. Ireo olona manana olana amin’ireo taova ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
HEA-ENAM : miray hina ireo andiany 5 nifanesy
Nanatanteraka fihaonana teny Ambohimanambola ireo mpiofana nivoaka tao amin’ny HEA ENAM izay manam-pahaizana amin’ny sehatry ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny volana oktobra teo. An-jatony izy ireo no efa nivoaka tamin’io sampam-piofanana ho mpiasam-panjakana sy mpitantana ambony eto amin’ ny firenena io. Andiany dimy miantaona no efa nivoaka tamin’ ireto “expert” ireto. Vonona […]
Mesupres : laharam-pahamehana ny hamerenana ny fampianarana
Mbola maro ny sampam-pianarana tsy nahavita ny taom-pianarana 2022-2023 eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Ny hamerina ny fampianarana sy hamarana ny taom-pianarana no laharam-pahamehana izao, hoy ny Mesupres. Nampiantso fivoriana maika niarahana tamin’ny filohan’ny oniversite, ny Pr Ravelomanana Mamy Raoul, sy ireo sojabe ary ireo lehiben’ny sampam-pianarana rehetra ny minisitry ny Fampianarana […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny atrikasa ho an’ny « accordéon » sy ny « hip hop ». Karakarain’ny Akademian’ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac) izy ity, izay hotontosaina ao amin’ny efitrano ambadiky ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny sabotsy 18 novambra ho avy izao. Hizara ny traikefany amin’izany Rakotomandimby Jean Modeste, raha toa ka hitarika ireo liana amin’ny “hip […]
Aingam-panahy sy famoronana : misy talenta mifoha isaky ny vanim-potoana
« Ny zava-misy no fandrisika voajanahary ho an’ny aingam-panahy », hoy i Zo Maminirina, poeta sady mpanoratra. Isaky ny mandia vanim-potoana iray ny talenta, misy mipoitra hatrany. Rehefa mety ho asa famoronana, ahitana azy io avokoa. Lehibe indrindra amin’izany ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mafampana, ohatra, ny tontolo politika. Misy poeta na […]





