Auteur/autrice : Adnews

Ambatoboeny : ho vita tsy ho ela ny baka

Vita ny faran’ny herinandro teo, ny ampahany voalohany amin’ny asa fanarenana sady fanamboarana ny baka, ao amin’ ny «radier» Ambatoboeny. Eo amin’ny halavirana PK 20 amin’ny lalam-pirenena RN33B no misy azy. Manatanteraka ny asa ny Fitantanana tohana amin’ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Asa natao ny […]

Itremo Ambatofinandrahana : voahaja ny fitaovana ampiasain’ ny mpitrandraka madinika

Paikady napetraky ny fanjakana ny hidiran’ny mpitrandraka madinika amin’ny ara-dalàna. Napetraka ny fari-pitrandrahana manokana hanatanterahana izany. Manome tantsoroka ny mpitrandraka madi­nika ny harena an- kibon’ny tany ny fanjakana. Nidina ifotony tany amin’ny kariera any Itremo, distrika Ambatofinandrahana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny 13 novambra teo. Nojerena ny fitaovana ampiasain’ny mpitrandraka […]

Hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna : nahazo sambo avy amin’ny Japone ny faritra Anosy

Ho fampihenana ny loza an-dranomasina sy hiadina amin’ny jono tsy ara-dalàna, nahazo sambo haingam-pandeha avy amin’ny governemanta japone ny faritra Anosy. Tonga nanolotra izany tany Taolagnaro ny masoivohon’i Japon, Abe Koji, ny zoma lasa teo. Nanotrona ny lanonana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert, notronin’ny governoran’ny […]

Vovonana Pan-FFKM: “Hikaro-bahaolana hatrany”

Nanao fanambarana ny Vovonana ho amin’ny fifampidinihana, tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, (Pan), sy ny avy amin’ny FFKM, teny Tsimbazaza, omaly. Nasongadin’izy ireo tamin’izany fa hanohy ny asany ary mbola miantso ny rehetra ho amin’ny fifampidinihana ity vovonana ity. “Tsy hitsahatra ny hitady vahaolana hipetrahan’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto […]

Fiahiahiana fanalam-baraka : nosamborina ny kandidà Paraina Auguste

Nosamborina, omaly, teny Ivato, ny kandidàn’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste. Nohazonina eny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) Anosy, ny tenany hatramin’ny omaly hariva. Voalazan’ny loharanom-baovao fa nahazo ny taratasy fampiantsoana ity kandidà ity, tokony ho tamin’ ny 1 ora tolakandro, omaly. Namaly ireo mpitandro filaminana […]