Auteur/autrice : Adnews

Tongava mifidy !

  Zo sy adidy ny mandeha mifidy ! Mbola manana ny anio izay misalasala handeha handatsa-bato. «  Ny alina mitondra fisainana », hoy ny Ntaolo malagasy koa meteza hihaino ny feon’ny fieritreretana. Aza hadinoina fa io rahampitso io no hamaritra ny hoavin’ny Malagasy tsivakivolo ao anatin’ny dimy taona manaraka. Tsy ho an’ny […]

Ambohijanaka : mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mpiambina iray “agent de sécurité” nangalatra moto ka nifanenjehan’ny fokonolona tao amin’ny kaominina Ambo­hi­janaka, distrikan’ Antana­narivo Atsimondrano, afakomaly. Mody niditra tao amina toeram-pitsaboana (CSBII) anatin’io fokontany io ilay lehilahy. Namonjy filaharana toy ny marary rehetra izy. Naha­tsikaritra ny moto an’i dokotera nipetraka tao amin’ny efitra mitokana anefa io olon-dratsy io. […]

TSELATRA

Avotra soa aman-tsara afakomaly ilay zaza varira nalain’ny dahalo an-keriny volana maromaro tao Maroalika, fokontany Morarano, kaominina am­ba­ni­vo­hitr’ Ankilizato. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny zandary sy ny kalony ka niafara tamin’ny fahazoana ity zazakely ity teny am-pelatanan’ireo malaso. Tratry ny vela-pandriky ny zandary ireo mpamaky trano sy mpivarotra halatra amin’ny […]

Avy naka « versement »: norobain’ny jiolahy ny vola 5 tapitrisa Ar

Indroa miantoana ny fanafihana teny Atsimondrano, omaly. Jiolahy efa-dahy nitaingina moto avokoa no nandroba tsena sy mpitondra moto teny amin’ny RN7. Lasan’ny jiolahy efa-dahy nanao taingin-droa tamin’ny moto ny vola “versement” nitentina 5 tapitrisa Ar avy nalain’ny mpanatitra fahana iray teny amin’ny RN7 teo Ambohibao, kaominina Bonga­tsara, omaly tolakandro. “Avy nanangona […]