Tsy azo atao intsony ny mamory vahoaka amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, hoy ny Emmo-Nat sy ny Prefektiora. Handray ny fepetra hentitra amin’ny fihoaram-pefy izy ireo.
“Efa tsy azo atao intsony ny fampielezan-kevitra sy ny hetsika hafa na fidinana an-dalambe. Ao anatin’ny antsoina hoe fahanginana, mialoha ny fifidianana isika izao, araka ny voalazan’ny lalàna”, hoy ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, omaly. Nanentana ny rehetra izy mba hanaja ny fotoana fiomanana sy fahanginana mba hahafahana miatrika am-pitoniana ny fifidianana. “Aoka hanaraka ny fandaminana sy ny voalazan’ny lalàna ny rehetra”, araka ny nambarany.
Nanantitrantitra ny Emmo/ Nat, tamin’ny alalan’ny Jly Andriamasimanana William, fa tsy azo atao intsony ny propagandy. Toraka izany koa ny fitarihana olona mety hitarika na hanakana ny fahafahan’ny olom-pirenena haneho ny heviny amin’ny fiatrehana fifidianana. “Hampihatra ny lalàna izahay ho an’ireo mitetika ny handrava sy hanakorontana ny fifidianana. Hoentina amin’ny manampahefana mahefa ireo minia manao izany sy mandika lalàna”, hoy izy ireo.
Am-pilaminana
Nanterin’ny Emmo/Nat koa fa manan-jo hamita ny adidiny am-pilaminana ny vahoaka malagasy. Samy manana ny heviny ny tsirairay ka tokony hanefa ny adidiny anaty fitoniana.
Anisan’ny fepetra noraisin’ny Emmo/Nat ny fiarovana ny mpifidy, ny trano na birao fandatsaham-bato. Hentitra ny fiarovana ireo fitaovana sy kojakoja amin’ny fifidianana. Toraka izany ny fiahiana ny filamim-bahoaka hamonjy ny toeram-pifidianana sy ny fiverenany any an-tokantranony. “Hosorohina avokoa ny tranga mety hiteraka korontana”, hoy ny Jly Zafisambatra Ravoavy.
Synèse R.




