Navoakan’ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny fanapahana amin’ny maha filoham-panjakana vonjimaika ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nilatsaka ny fanapahana avy etsy Ambohidahy momba ny fitantanana ny firenena ka nametrahana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ho filoham-panjakana mpisolo toerana. Hisahana izany andraikitra […]
Auteur/autrice : Adnews
Halatra omby: dahalo raindahiny maty voatifitra
Tratra taorian’ny hazalambo nataon’ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Amboanjo, kaominina Manaratsandry, distrikan’i Mitsinjo, ny 24 oktobra teo. Nanafika tao amin’ny tanànan’Analamamy ireo olon-dratsy tamin’ny 22 oktobra. Roa lahy no tompon’antoka. Voaroba ny omby miisa efatra. Raikitra ny fanarahan-dia. Naharay loharanom-baovao ny zandary fa mihaodihaody ao amin’ny […]
Tselatra
Naratra mafy ny mpitondra bisikileta iray nofaohin’ny fiara 4×4 teny Ampitatafika, omaly maraina. Tao anatin’ny fotoana fandehanan’ireo fiara ho famahana ny fitohanan’ny fiara niainga avy any Ampitatafika mivoaka ny tetezan’Anosizato no nitranga ny loza. Nirimorimo nandeha mafy ireo fiara ka voafaoka ilay mpandeha bisikileta. Potika ny bisikileta raha nentina […]
Harem-pirenena : olona roa mpanondrana sokatra voasambotra
Mirongatra indray ny trafikan-tsokatra any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Efa tambajotra ireto voasambotra ireto. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpanondrana sokatra roa mianadahy tao Betaratse, kaominina Fotadrevo, 60 km miala an’i Ejeda, distrikan’Ampanihy, ny alarobia 25 oktobra teo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria fa misy olona mitatitra sokatra avy any Atsimo. […]




