Misy ny atrikasa fampitoviana fijery eo amin’ireo firaisamonina sivily sy ny solombavambahoaka ary ny loholona miaraka amin’ireo rehetra mpisehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona any Antsiranana. Efa napetraka teny anivon’ny Antenimierampirenena ny taona 2022 hodinihina sy holanin’ny solombavambahoaka ny tolo-dalàna ho fiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona fa mbola miandry ny fampidirana azy ho anisan’ny lahadinika […]
Auteur/autrice : Adnews
Malagasy’s Healers: hitsabo olona 850 maimaimpoana any Ambatonikolahy
Zo fototra ho an’ny isam-batan’olona ny hahazo fitsaboana sy torohevitra hisorohana ny valanaretina. Manatanteraka ny fahazoana izany zo izany ny fikambanana mpitsabo misehatra any amin’ny toerana tsy tongan’ny fiarakodia ary miasa maimaimpoana. Nanainga omaly ho any amin’ny kaominina Ambatonikolahy, distrikan’i Betafo ny mpitsabo sy mpikambana ao anatin’ny Malagasy ‘s Healers […]
TARATRY ny KANTO
Ady hiragasy etsy Ampefiloha. Mitohy hatrany ny fihaonan’ny mpiangaly sy mpankafy hiragasy, etsy amin’ny Kianja Ampefiloha. Hifandona ny alahady izao ny tropy Ramanamahefa avy any Antaninandro sy Rakotomandimby Jean Pierre avy any Morarano Gara. Maimaimpoana hatrany izany, saingy entanina kosa ireo mpankafy fa misy ny rakitra hotatazana ho an’ireo mpanakanto. […]
«Festival des livres Thrillers» : hiaka-tsehatra ny haikanton’i Avelo Nidor
Tanterahina anio, eny amin’ ny Alliance française d’An-tananarivo (Aft Andavamamba), ny teatra hanehoana an-tsehatra ny “Tononkira fananganana amin’ny maty”, nosoratan’i Avelo Nidor. Tafiditra ao anatin’ny «Festival des livres Thrillers» andiany faharoa izy ity. Voafidy manokana amin’ izao hetsika lehibe izao ity asa soratr’i Avelo Nidor ity, noho ny maha piesy […]
Henri Ratsimbazafy : hiaka-tsehatra farany any Frantsa
Tsy mbola hitsahatra amin’ ny fiakarana an-tsehatra i Henri Ratsimbazafy. Eny, na dia efa an-taonany maro aza izy no nanambara izany, mbola mahavita ka manome fahafaham-po hatrany ireo mpankafy ity andrarezin’ny mozika ity. «Mamy indray ny miaina», hoy izy anatin’ny hirany, ary izay ihany koa no nentin’i Henri Ratsimbazafy nanamarihany […]




