Auteur/autrice : Adnews

Minisitry ny fiarovam-pirenena : notsidihin’ny delegasion’ny Firenena mikambana

Tsy nisy nipika ny resaka nandritra ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny delegasionina, solontenan’ny Firenena mi­kambana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena tetsy Am­pahibe, omaly. Nisolotena ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, ny « Représentant spécial du Secrétaire général des Nations-Unies auprès de l’Union africaine et Chef du Bureau des Nations-Unies auprès de l’Organisation […]

Tontolo niomerika : tonga eto an-toerana ny Orange 5G Lab

Firenena anisan’ny maharaka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny tontolon’ny niomerika i Madagasikara. Ankehitriny, tonga eto an-toerana ny Orange 5G Lab, an’ny orinasa orange Madagascar. Nampa­hafantarina teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona, omaly, ny momba ny 5G Lab. Fitaovana entina hanampiana ireo orinasa sy ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny niomerika hiomana […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo : birao tokana ara-pambolena voalohany any Sakay

Sambany ! Notokanana, omaly 28 septambra, tany Sakay Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny Birao tokana ara-pambolena eto Madagasikara. Antom-pisiany ny hanohanana ny lalam-pihariana rehetra eo amin’ny sehatry ny fambolena. Maromaro ny tolotra hita ao amin’ity birao tokana ara-pambolena any Sakay ity, toy ny tolotra mikasika ny fambolena sy ny fikarakarana antontan-taratasy […]

INDRAY MIJERY

Kaoperativa 7 no nanamafy ny fahaiza-manaony amin’ny sehatry ny fitaterana ny alarobia teo, niaraka tamin’ny ATT. Fanofanana ho an’ireo olona rehetra miantsehatra amin’ny fitaterana sy mahakasika ny rafi-pitaterana nahitana loza no natao. Nisitraka ny fiofa­nana ny mpamily, ny mpivarotra tapakila, ny mpama­totra entana miisa 64, tompona fiara… Fotoana mampirongatra ny […]