Auteur/autrice : Adnews

Minisitra Ravokatra Fidiniavo: « Mitady fifidianana ny vahoaka… »

“Ho anareo kandidà rehetra efa vonona ho amin’ny fifidianana, efa nanaiky ny fandaminana rehetra ary efa nahazo ny laharana misy anareo tsirairay avy ianareo: miomana amin’ny fanazaran-tena ary miakara eny ambony kianja, miroso amin’ny fifidianana. Mitady fifidianana ny vahoaka, tsy mihemotra amin’ny fifidianana”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Rano […]

Malailay fonosana

  Efa tafaverina soa aman-tsara eto an-tanindrazana ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Andry Rajoelina. Azo antoka fa hiditra tanteraka anatin’ny fiainana politika sy ny ho fiatrehana ny fifidianana izy. Akory anefa ny hagagan’ny mpanara-baovao fa tsy nipoitra teny amin’ilay fampanantsoan’ny FFKM, omaly hariva izy. Solontena no nalefa izay nivoaka niditra […]

Raharaham-pifidianana: hiditra an-tsehatra ny Firenena mikambana

Higadona anio, eto Madagasikara, ny iraky ny Firenena mikambana (ONU). Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny fanaovana tombana ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena. Anisan’ny hihaona amin’ireto iraka, araka ny toromariky ny any New York, ireto ny filoham-panjakana misolo toerana, amin’ny alalan’ny governemanta ifarimbonana. Eo koa ny mpikamban’ny HCC sy ny eo anivon’ny […]

TSELATRA

Hotohoton’ny afo ny trano miisa roa tao amin’ny fokontany Madiotsifafana, distrikan’Ambatondra­zaka, omaly maraina. Nivadika ho lavenona avokoa ny entana rehetra toy ny fanaka sy ny fahitalavitra. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny afo. Nie­zaka nifehy ny firehetana ny fokonolona saingy nanao sarotra izany. Jiolahy telo lahy nandroba […]

Ambohimangakely : mpampianatra tratra namaky trano

Hatolotra ny fampanoavana ireo mpampianatra roa lahy miampy lehilahy iray hafa voarohirohy ho tompon’antoka tamina famakiana trano fitehirizana entam-barotra teny Ambodivoara, fokontany An­dranovao Ambohimangakely. Nanaovana ombay mitady ny ankizy kambana roa lahy izay tsy hita ny 22 septambra 2023 lasa teo. Nentin’ireo mpampianatra ireo niara-nanao asa ratsy taminy anefa ireo […]