Auteur/autrice : Adnews

Boriborintany faha-IV : hisitraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana

Eo amin’ny fokontany Angarangarana Mandrango­bato II, ao amin’ny boriborintany faha-IV indray ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, amin’ny alalan’ny sam­pan-draharahan’ny fahasalamana. Hanomboka ra­hampitso hatramin’ny zoma izany. Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita sy afaka sitrahin’ny mponina eny an-toerana. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny fitiliana […]

INDRAY MIJERY

Hotanterahina eo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny alakamisy 28 septambra izao, ny fampirantiana ireo karazana asa, mifandraika sy mifanentana amin’ireo olona manana fahasembanana. Miaraka ho amin’ny asa mampiaty sy maharitra… lohahevitra amin’ izany. Mbola maro ireo orinasa tsy mandray olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Nihaona tamin’ny minisitry ny Mponina ny […]

Aretina Alzheimer : ireo fambara 10 tokony hahamailo

Ny alakamisy izao no Andro maneran-tany ho an’ny aretina Alzheimer. Nampahafantatra ireo fambara 10 tokony hahamailo mikasika ity aretina ity indray ny fikambanana Masoandro Mody, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny Iray volan’ny fampahafantarana ny aretina rahateo. Tsy zotram-pivoaran’ny fahanterana velively ny aretina Alzheimer raha ny fanazavana ka mila manatona dokotera […]

Lozam-pifamoivoizana : vokatry ny moto ny 78% mahafaty olona

Anisan’ny mahafaty olona betsaka indrindra amin’ny lozam-pifamoivoizana ny moto. 78% ny tranga mahafaty olona izany, raha ho an’i Madagasikara. Nilaza ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitate­rana sy ny famantarana ny toetry ny andro fa 28%-n’ny olona maty maneran-tany dia vokatry ny loza ateraky ny mpitondra kodiaran-droa. Miakatra 78% izany raha […]

Kitra « D2 National »: misongadina ny JSA Ihorombe

Notanterahina nanomboka ny zoma sy omaly, tany Ma­hajanga sy Antsirabe ny andro faharoa, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra eto Madagasikara. Anisan’ireo klioba nahazo fandresena roa tamin’ity fifaninanana ity, ny JSA Ihorombe. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny GJFT Atsimo An­drefana, teo amin’ny andro voalohany izay natao […]