Hanomboka anio, haharitra hateloana ny “festival” momba ny atody. Hatao eny amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, karakarain’ny kaominina sy ny fikambanana 2A, ahitana ny fikambanan’ny mpiompy. Tanjona ny hisarihana ny mponina hanjifa atody sy hiompy akoho mpanatody lava fa mahavelona ity fihariana ity. Hanorana tandrifindrahona mahalana any Analanjirofo sy Toamasina, […]
Auteur/autrice : Adnews
Akany Iarivo Mivoy : ahodina ho lasa zavakanto ny akora
Nanao atrikasa mikasika ny fanodinana sy fandrariana ny akora eo ampelatanana ho lasa haingo sy zavatra azo ampiasaina indray ireo ankizy sy tanora mipetraka etsy amin’ny Akany Iarivo Mivoy, Anosizato. Niarahana tamin’ny ekipan’ny “Art et Culture (AEC)” izany. Nahafahan’ireo ankohonana ao an-toerana nisitraka fiofanana momba ny fikirakirana akora plastika rariana. […]
Fanadinam-panjakana : hisokatra ny volana janoary ny fisoratana anarana
Ilain’ny sekoly ny lamina momba ny tetiandrom-panadinana sy ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana, handrindrana ny fitantanana, indrindra ho an’ny sekoly tsy miankina. Navoakan’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena ny alarobia teo, ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 sy ny fotoana handraisana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina, araka ny didy hitsivolana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanangana toeram-ponenana manara-penitra eny Andavamamba ny tetikasa « PRODUIR ». Natokana ho an’ireo hifindra monina noho ny fanadiovana ny lakandrano C3 izy io ary hamaly ny hetahetan’ ireo mponina mba hiaina amina toerana maha te-honina kokoa. Tsiahivina fa nisy tondradrano, ny taona 1959 izay niteraka fahasimbana maro. Hivadika seranam-piaramadina iraisam-pirenena manomboka androany […]
Tsy ampy ny vokatra eto an-toerana : hanafatra katsaka 45 000t ny mpandraharaha
Mbola ambany ny famokarana katsaka eto Madagasikara kanefa tsy mitsaha- miakatra ny vidin’izany eny an-tsena. Mandroso vahaolana amin’ny fanafarana katsaka ireo mpiantsehatra amin’ny fiompiana. Misedra olana ny tontolon’ny fiompiana. Tsy ampy sady lafo ny katsaka eny an-tsena ka miantraika mivantana amin’ny fiharian’ny tantsaha. Vokany, nahena hatramin’ny 50% ny biby fiompiny […]




