Famatsiam-bola entina hiatrehana ny afo, mitentina 120 tapitrisa Ar, no azon’ny “Madagascar National Parks (MNP)”. Nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa niarahany tamin’ny tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny karazan-java-mananaina eto Madagasikara (FAPBM), omaly, teny amin’ny biraon’ny MNP, Ambatobe. Napetraka ao amin’ny tahirim-bola maika ity famatsiam-bola ity. Tanjona ny hampihena ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Profesora Ratsimbazafy Jonah : nahazo titra « Docteur Honoris causa »
Tsy zoviana amin’ny rehetra ny anaran’ny Pr Ratsimbazafy Jonah, manampahaizana fantatra amin’ny fiarovana ny varika eto Madagasikara. Tsy mitsahatra manohy ny asa fikarohana ny tenany hatramin’izao ka nanolorana azy ny titra « Docteur Honoris causa », teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny alarobia teo. Mpampianatra mpikaroka amin’ireo Oniversite eto an-toerana izy. Filohan’ny « Groupe d’étude et […]
efa zatra ny mpanjifa : miverina indray ny fahatapahan-jiro
Tsy voavaha ny olan’ny famatsian-jiro. Miverina indray ny fahatapahana amin’ny faritra maro eto Antananarivo sy ny manodidina. Mampimenomenona ny mpanjifa ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny izay niverina indray tanatin’ny andro vitsy, nanomboka ny alahady teo. Betsaka ireo fokontany eto an-drenivohitra sy ny manodidina no mitondra faisina vokatr’izany fahapahan-jiro izany. Tapaka tsy […]
« Beat Box Battles Madagascar »: misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana
Nisokatra ny 13 aogositra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 26 aogositra 2023, ny fandraisana ny horonantsarin’ny mpifaninana ho amin’ny « Beat Box Battles Madagascar 2023 ». Ny fikambanana Beat Box Madagascar no mikarakara ny hetsika. Sokajy roa no hifaninanana amin’ity andiany fahadimy ity. Maimaimpoana tanteraka ny fandraisana anjara ary tsy […]
TARATRY ny KANTO
Seho voalohan’i Erick Manana sy Dama, anio. Manomboka amin’ny 7 ora sy sasany, etsy amin’ ny CCEsca Antanimena. Hisy seho faharoa, ny alahady 20 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Feo roa, gitara roa », toa ny nanombohan’ izy mirahalahy ity fiarahana ity ihany izany. Hisy ampahan’ny fizarana voalohany hatokan’izy […]




