Auteur/autrice : Adnews

Fianakavian’ny filoham-pirenena : nahazo tsodrano tamin’ny Papa ray masina Fransoa

Manao fitsidihana masina any Vatican ny filohan’ny Repoblika ombam-bady aman-janaka. Nitsodrano azy ireo sy ny vahoaka Malagasy ny ray masina Fransoa. Manao fitsidihana manokana any Vatican ny fianakavian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nisy ny fihaonana manokana teo amin’izy ireo sy ny ray masina, tao amin’ny birao fiasany. Nanotrona azy ireo […]

TSELATRA

Olona iray namoy ny ainy voadonan’ny kamiao tao Ilafy, Avaradrano, afakomaly. Tapaka hisatra, nifatratra tamin’ny tamboho io fiarabe io. Olona roa voafaoka ka maty tsy tra-drano ny iray. Nen­tina namonjy hopitaly ny iray naratra mafy. Pasitera amina fiangonana zandriny iray tratra nangalatra moto tao Ambohiman­gakely, afako­maly. Very moto ny lehilahy […]

Talatamaty: jiolahy raindahiny roa lahy maty voatifitra

Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny tratra tao “Bemoka”, fokontany Ambohi­nambo, kaominina Talatamaty, distrikan’ Ambohidratrimo, omaly maraina. Anisan’ny namoahan’ny fitsarana didy fikarohana noho ny asa ratsy nataony, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Tomponantoka tamin’ny fanafihana fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalan’Andra­notapahana, ny 4 jona lasa teo, ny […]

Nanandrana namono tena : zaza enin-taona kendan’ny tady fanahazan-damba

Zava-doza ny nanjo ilay zazalahy kely vao enin-taona. Matin’ny tady fanahazan-damba izy rehefa nanao kilalao, nisary hananton-tena. Nampalahelo ny nanjo ity fianakaviana iray tao Toamasina. Maty nihantona teo amin’ny tady fanahazan-damba eo an-tokontany ny zaza vao enin-taona, ny ta­lata lasa teo. Maty vokatry ny fanandrakandramana amin’ny maha ankizy azy. Nanao kilalao […]

Hamonjy fahoriana : saika lasan’ny jiolahy ny entana rehetra

Voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly tolakandro, ny jiolahy nangalatra entan’olona teny amin’ny fian­tsonan’ny taksiborosy. Naharay antso ny polisy fa misy jio­lahy iray nihorakorahan’ny olona tratra teo am-pangalarana entana. Tonga ara-potoana ny polisy, voamarina ny fisian’ ny olon-dratsy. Tratra teo am-pibatana sakaosin’olona iray izy. Olona handeha hamonjy fahoriana ity saika […]