Auteur/autrice : Adnews

Namearison Robert : “Azo anaovana fitsirihana ny firaisamonina sivily manodinkodim-bola”

Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny firaisamonina sivily. Misy mahazo volabe, nefa tsy hita ny asa vita. Nilaza ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, fa azo anaovana fitsirihina izay manodinkodim-bola. Fanehoan-kevitra… “Raha misy miteny hoe manodinkodim-bola ny firaisamonina sivily: na ny fanjakana aza, afa-manao fitsirihana ny […]

Fanatanjahantena : taranja manaitra ny hafanam-pon’ ny tanora ny basikety

Niditra sy nisy te­to Madaga­si­ka­ra ny taranja basikety tamin’ny ta­o­na 1960. Nam­pi­dirin’ireo mpilalao amerikana sy frantsay, raha ara-tantara. Nivoatra tsikelikely ary nihamafy sy nankafizin’ ny tanora teto Ma­dagasikara izany. Niorina tamin’ny taona 1963 ny ekipam-pirenena, mpilalao basikety teto Madagasikara. Nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro nandritra ny taona nifandimby izy […]

Vaovao tambatra

Tafiditra ho anisan’ireo toerana tsara indrindra ialana sasatra, amin’ity taona ity, i Madagasikara, araka ny lahatsoratra an-gazety navoakan’i Le Figaro, hoy ny « confédération du tourisme de Madagascar », omaly. Anisan’ny mahasarika ny mpizahatany ny tontolo iainana, ny rohivoaary,ny karazana zava-mananaina mampiavaka ity Nosy ity. Manomboka androany, haharitra roa andro ny fiofanana […]

Fihariana : tanora 221 nahavita fiofanana

Fomba iray anisan’ny ma­homby sy mampitombo ary manatsara ny tontolon’ny fa­mokarana ny fanofanana ta­nora ho lasa matihanina amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miisa 221 mianadahy ireo na­havita fiofanana tao amin’ny « Fiompiana sy fambolena malagasy Norveziana (FIFAMANOR) », tamin’ny alalan’ny tetikasa « Proagro Youth ». Nanaraka lalam-piofanana amin’ny famokarana sy […]

Soavalim-bazaha !

  Tena anatin’ny hazakazaka ho eny amin’ny Lapan’ Iavoloha tanteraka ny mpifaninana politika ankehitriny. Efa tafakatra valo ny nahavita fanambarana fa hilatsaka ho fidina. Mbola maromaro ireo tsy nilaza mazava ny hasian’ny tongony na hiroso na hihemotra. Misy ny any anatin’ny ady savaranonando sy ny paikady hoenti-mandrombaka ny amboara. Tsy […]