Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

66, 32 % ny taham-pahafahana bakalorea ho an’ny faritanin’Antsiranana, ho an’ity taona ity, 11 468 ireo nahazo ny mari-pahaizana ka ny 10 616 (64, 96 %) amin’ireo avy amin’ny fampianarana ankapobeny. 56,96 % ny taham-pahafahana ho an’ny faritanin’i Mahajanga ary 56,35 % amin’io ho an’ny fampianarana ankapobeny. Nisitraka fanampin-tsakafo miisa 952 […]

Sekoly tsy miankina : mbola marisarisa ny fisoratana anarana

«Tapa-bolana mialoha ny 4 septambra, tetiandro hisantarana ny taom-pianarana 2023-2024, mbola marisarisa ny fisoratana anarana eny amin’ ny sekoly tsy miankina amin’ ny fanjakana», hoy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ ny sekoly tsy miankina eto Mada­ga­sikara, Rakotomalala Célin, omaly. Amin’ny sekoly iray eny Itaosy, mpianatra 20 no namandrika toerana fa hanaraka […]

YALI 2024 : misokatra ny fisoratana anarana

Nanomboka ny talata teo ary hitohy hatramin’ny 12 septambra ny fisoratana anarana sy fandraisana antontan-taratasy ho an’ny fandaharanasa «Young African Leaders Initiative (YALI) Mandela Washington Fellowship” ho an’ny taona 2024. Manana hatramin’ny 12 septambra ho avy izao ianareo tanora liana amin’izany hameno sy handefa ny antontan-taratasy ao amin’ny tranonkala mwfellows.info/apply […]

Fanafarana menaka : mihenjan-droa ny tady eo amin’ ny fadin-tseranana sy ny DMC

Eny anivon’ny fitsarana ambony ny raharaha mikasika ilay fanafarana menaka hodiovina ho azo ohanina ataon’ny orinasa DMC sy ny fitoriana ataon’ny fadin-tseranana. Mbola henjan-droa ny tady eo amin’ny roa tonta. Nitondra fanazavana afakomaly, tetsy Ampa­sa­madinika, ny mpiso­lovavan’ny orinasa Bid-Co, Rama­roson Tantely, sy ny mpisolovavan’ny orinasa DMC, Andriamparanirina Fanaja, mikasika ny […]

“Certificat de nationalité” an’ny filoha Rajoelina: manaitra ireo mpitsara ny loholona Rakotondrainibe

Nohitsin’ny loholona, Rakotondrainibe Michel na i Ndriana fa nanitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena ny filoha Rajoelina. Nanairany ireo mpi­tsara izany amin’izao fotoana fohy hivoahan’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izao mo­mba ny fizakan’ny filoha ny zom-pirenena Frantsay. “Hotsarain’ny tantara ianareo hanao sonia ny «certificat de nationalité malagasy»-n’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Nanteriny fa tsy […]