Auteur/autrice : Adnews

MMM tao Ambohimiadana Andramasina: “Mandringa ny fampandrosoana isam-paritra”

Nitohy tany Ambohimiada­na Andramasina ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo amin’ny vahoaka. Voaresaka tamin’izany ny fitsinjaram-pahefana sy ny fifidianana. Nambaran’ity kandidà fi­lo­ham-pirenena ity fa miankina betsaka amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy no ahafahana mitondra fampandrosoana ny firenena. Anisan’ izany ny fanabeazana, ny fam­bolena sy ny fiompiana ho amin’ny fampandrosoana ny […]

Cua- Fokontany Ankasina : 500 ireo nisitraka ny “fahasalamana manakaiky vahoaka”

Mitohy hatrany ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanomboka ny Talata teo ary hifarana anio ny hetsika ho an’ny mponina eny amin’ny fokontany Ankasina, eo anivon’ny boriborintany voalohany. Nisitraka izany ireo mponina 500 eny anivon’ny boriborintany, hatramin’ny omaly, raha ny tatitra voaray teny an-toerana. Nahitana fizaham-pahasalamana maro […]

INDRAY MIJERY

Efa niroso tamin’ny fitokonana ny mpampianatra mpikaroka Seces sampana Fianarantsoa nanomboka ny alatsinainy teo. Nanao fitokonana teny amin’ny Esplanade Ankatso kosa ireo mpikambana avy ao amin’ny Seces sampana Antananarivo nanomboka omaly, satria tsy nisy valiny ny fitakiana samihafa natao. Honeran’ny fanjakana ny saran-dalan’ireo mpianatra 21 mendrika ka lasa any ivelany […]

Tomban’ny taompianarana : hanomboka ny 14 hatramin’ny 25 aogositra

Hanao tombana ny taom-pianarana 2022-2023 ny tomponandraikitra ny 14-25 aogositra. Hahitana ny ekipan’ny fari-piadidiam-pampianarana sy ny talen-tsekoly ary ny mpanolotsaina pedagojika izany. Aorian’izay no handrafitra paikady hanarenana ny lesoka rehetra hita. Nanamafy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ta­min’ny fanambarana nataon’ny sekretera jeneraliny, Rabe­nandrasana Teophil, fa tsy andoavam-bola ny fisoratana anarana eny amin’ny […]