Sesilany ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka eny anivon’ny hopitaly. Omaly, ny teny amin’ny Centre hospitalier universitaire Mère-enfant Ambohimiandra (CHUMEA) indray no nofanina. Miompana amin’ny fandraisana sy ny serasera no hanofanana azy ireo. Nisitraka izany ireo Infirmiers d’accueil et d’orientation na IAO sy ireo mpisehatra ao amin’ny sampana Vonjy Aina. Notsongaina […]
Auteur/autrice : Adnews
Fandaharanasa Educmad : mikirakira tahirin-kevitra niomerika 5 000
Hampiakarana ny lanjan’ny taranja siantifika no nametrahana ny fandaharanasa Educmad teto Madagasikara ary nahazo vokatra tsara ireo sekoly nampihatra izany. Nanomboka ny taona 2004 ny fandaharanasa Educmad, manohana ny fampianarana ny taranja siantifika amin’ny fikirakirana tahirin-kevitra pedagojika niomerika izay miaraka amin’ny Acces Mad sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. 5 000 ny […]
“Carnaval” lehibe tao Sambava: Tanjona ny hihoatra ny “Waka Waka Festival” any ivelany
Lanonambe ny any Sambava. Mandray ny andiany faharoa amin’ny “Waka Waka Festival” ity distrika ity ankehitriny. Raikitra! “Carnaval” lehibe namakivaky ny tanànan’i Sambava no nentina nanamarihana ny fanombohan’ny “Waka Waka Festival”, andiany faharoa, tontosaina eto Madagasikara. Loko maro sy marevaka, soradihy mirindra, fanovan’endrika isan-karazany sy izay rehetra fanao amina “carnaval” […]
Tarika rebika: hiaka-tsehatra avokoa ny mpikambana hatrizay
Hanatanteraka fampisehoana ao Antsahamanitra, ny alahady 13 aogositra 2023, ny tarika Rebika. Ho hita mandritra ity fampisehoana ity avokoa ny mpikambana nandrafitra ny tarika hatramin’izay. Fampisehoana natao ho an’ny rehetra no nomanin’ny mpikarakara sy ny tarika, miaraka amin’ny hira nankafizana ny tarika Rebika. “Vonona tanteraka ny tarika hitondra seho mahafinaritra […]
Jazz@Tohatohabato: santarin’ny « Jazz Quartier » ny seho ankalamanjana
Hianga eo Analakely, tsy hifarana raha tsy any Sabotsy Namehana ny dia ! Araka izay azo atao, hanatanteraka seho isaky ny toerana malalaka ireo mpilalao jazz hanatanteraka ny «Jazz Quartier» androany. Anisan’ny tanjona amin’ity seho mitety faritra eto an-drenivohitra sy ny manodidina ity ny hampahafantatra ny jazz. Malaza ho mahay […]




