Auteur/autrice : Adnews

Kitra sokajy vehivavy – « Mondial 2023 » : resin’i Nigeria 3 no ho 2 i Australie

Notanterahina omaly, tao amin’ny kianjan’i Suncorp Australie, ny fihaonana teo amin’i Nigeria sy i Australie, taranja baolina kitra, vehivavy. Lavon’i Nigeria tamin’isa 3 no ho 2 i Australie, mpampiantranon’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taona 2023. Fifaninanana atao ny 20 jolay-20 aogositra ho avy izao. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fifanintsanana ho an’ny […]

Fanokafana ny lalaon’ny Nosy: Malagasy avokoa no hanao ny soradihy sy ny seho

Nitondra fanazavana momba ny lanonana fanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, ny eo anivon’ny Comite d’Organisation des Jeux des iles, (COJI). Malagasy avokoa no hanao ny soradihy sy ny seho rehetra. Hanampy amin’ny torohevitra sy hanome traikefa fotsiny ny hahatongavan’ireo Sinoa manam-pahaizana eto fa Malagasy avokoa no ho tazana eny […]

Vaovao tambatra

Lohahevitra momban’ny fitantanana ny harena an-dranomamy sy fahafaha-manao famokarana aminy ary ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’i Mada­gasikara. Ireo no novoaboasana nandritra ny andro fahafiton’ny seminera mahakasika ny jono atao any Sina, omaly. Maro ireo teboka nivoitra nandritra ny he­tsika. Atao mandritra ny roa andro, ny 28 sy 29 jolay izao, ny fampihaonana […]

UCTU: hojerena aorian’ny fifidianana ny mahakasika ny saran-dalana

Nihaona tamin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, (CUA), Andrian­tsitohaina Naina, omaly ireo mpikambana ao amin’ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU). Nilaza ny fitantanana ny CUA, fa tsy mbola fotoana tokony hampiakarana ny saran-dalana izao. Koa, nangataka ny ben’ny Tanàna mba ho aorian’ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny fanaovany fianianana amin’ny 2024 vao hifampidinika ny […]