Vinavinaina horaisina amin’ny fomba ofisialy amin’ny volana aogositra izao ilay tetikasa fitaterana an-dalamby “train urbain” (TU). Efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny faran’ny volana may teo ihany koa ireo fiarandalamby hampiasaina amin’ity tetikasa ity. “Amin’ny fiandohan’ny tetikasa dia mbola handeha amin’ny solika, gazoala, ny fiarandalamby. Ary fiantsonana 5 amin’ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsiafanoka Toliara II : mitaky ny hanokafana ny Base Toliara ny mponina
Manohana ny fitakiana hanokafana indray ny orinasa Base Toliara ny mponina any Tsiafanoka. Efa hita ny tombontsoa nentiny, ary azo antoka fa hamaha ny olana maro izay miha ratsy, ankehitriny. Mitondra fampandrosoana ho an’ny mponina any Tsiafanoka, distrika Toliara II, ny fisian’ny tetikasa Base Toliara. Nihemotra ary miha mahantra ny […]
INDRAY MIJERY
Rahampitso, manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora atoandro, dia ho tapaka amin’ny ampahany ny lalana eo anoloan’ny Instat, RNM, Fitsarana, Anosy ary St Michel. Hisy ny hazakazaka masina ataon’ny FJKM Ambondrona SP19 amin’ireo toerana ireo. Nampilaza ny fiadidiana ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra fa foana ireo toeram-piantsonana eo […]
JNE III : 15 000 ireo ankizy katolika mizaika eto Antananarivo
“Rankizy! Ndao hiara-dia hitory ny vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy”. Io no lohahevitry ny Androm-pirenena ho an’ny ankizy (JNE III) katolika andiany fahatelo. Natao omaly, tetsy amin’ny Esca Antanimena, ny sorona masina fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika, miaraka amin’ny fivondronamben’ny Eveka manerana ny Nosy, tarihin’ny arseveka Mgr Rabemahafaly Fulgence. […]
Tetikasa « Produir » : vita ny 91%-n’ny fotodrafitrasa sosialy
Miantsehatra amin’ny fametrahana ny fotodrafitrasa sosialy ilain’ny mponina eny ifotony ny tetikasa «Produir», miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa vita avokoa ny 91% amin’ireo fotodrafitrasa miisa 206 tokony hatsangana mandritra ny andiany voalohany. Mbola hisy fotodrafitrasa miisa 238 kosa hamboarina mandritra ny tetikasa andiany faharoa. Efa nisitraka ny tetikasa sosialy […]




