Natao tetsy Andavamamba, omaly, ny atrikasa nandrafetana ny Drafi-pirenena hiatrehana ny hamehana. Hanavotana ireo faritra tena voa mafy sy nitondra takaitra tamin’ny loza voajanahary misesy izany. Mitarazoka ny fahavoazana amin’ny faritra sasany. Hisorohana izany mandritra ny maitsoahitra ho avy ity drafi-pirenena ity. Hentitra ny SMGD miandraikitra ny toeram-piantsonan’ny fiara eto […]
Auteur/autrice : Adnews
Seces Antananarivo : misy ny ezaky ny fanjakana saingy tsy ampy
Miandry ny fahafahan’ny fitondram-panjakana mamaly ny fangatahana ny Seces. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny minisiteran’ny Vola sy ny minisitera miahy ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny talata teo. Nihaona koa ny Seces sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny zoma teo. Tsapa fa nisy ny ezaka nataon’ ny fanjakana […]
Tily Analamanga Afovoany : homarihina ny andron’ny folara
Hanamarika ny andron’ny folara na fanavaozana ny fanekena ireo Tily, ny talata izao, izay karakarain’ny faritany Tily Analamanga Afovoany tarihin’ny filohany, Ravelomanantsoa Sedera Enikaja. Hivondrona etsy amin’ny Parvis Analakely izy ireo mandritra ny ora iray. Eo no hanavaozana ny fanekena izay hataon’ny mpikambana rehetra. Handeha mivantana amin’ny TVM kosa ny […]
Mpitsirika ny fanorenana tsy ara-dalàna: manana karatra manokana sy tsy mitaky vola
Mila mailo ny mponina eto Antananarivo ka hanamarina tsara ny olona tonga milaza ho mpitsirika avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sady mitaky vola. “Betsaka ny fitarainana fisolokiana voarain’ ny tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary miha maro izany tato ho ato ka ilana fandraisana andraikitra”, hoy ny talen’ny Tsara tantana […]
Fihaonana tamin’ny HCC: manao tombana momba ny lalàna koa ny Sadc
Manao ranolava ny fihaonan’ny iraky ny Sadc amin’ny mpanao politika sy ny Andrimpanjakana. Anisan’ny nandray azy ireo tetsy Ambohidahy, ny eo anivon’ny HCC, omaly. “Betsaka ny feo mandeha saingy tsy izany ny anton-dianay eto. Hanao tombana ny fifidianana mba halalaka sy madio ary mangarahara. Eo koa ny fanaovana tombana momba […]




