Auteur/autrice : Adnews

Lalana : hanamboatra tetezana lava indrindra

Nisy filankevitry ny minisitra manokana miompana amin’ny fanamboaran-dalana, natao omaly 7 jolay. Anisan’ny nisongadina ny hanamboarana tetezana lava indrindra eto Madagasikara eo ambonin’ny reniranon’i Mangoky. Hanao ny asa ny orinasa CRBC. Efa madiva hifarana ary hotokanana tsy ho ela ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9), mampitohy ny faritra Atsimo Andrefana sy […]

Seha-pihariana ronono: tsy maharaka ny famatsiana ny mpiompy

Mitombo ny mpanjifa ronono eto amintsika. Misedra olana anefa ny mpiompy ombivavy beronono, satria midangana ny vidin-katsaka, akora fototra amin’ny provandy. Manampy trotraka koa ny delestazy, mampitombo ny masonkarena. Miroborobo ny seha-pihariana ronono. Nila­za ny tomponandraikitra voalohan’ny orinasa 3ème Mi-Temps, Razafindrainibe Mbolatiana, fa tsy maharaka ny famatsiana ronono, ankehitriny. Mahatratra […]

Tsenan’ny Esplanade Analakely: hatao box mitovy ny hivarotan’ny mpivarotra

Nihaona tamin’ireo mpivarotra tetsy amin’ny Tranompo­konolona Isotry, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Ireo mpivarotra etsy amin’ny Esplanade Analakely sy ny manodidina no nidinika tamin’izany. Niompana tamin’ny tetikasa fandaminana sy fanatsarana ny tsenan’ny Esplanade Analakely ny resaky ny roa tonta. Hatao box mitovy avokoa ny tsena rehetra ao anatiny, […]

Toetry ny andro: hahery ny onja ao Morondava

Noho ny fikorontanan’ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy dia misy ny filazana fampitandremana nataon’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Filazana fampitandremana miloko mena, eo anelanelan’i Morondava sy Taolagnaro. Filazana fampitandremana miloko mavo ho an’ny morontsirak’i […]